Fikomian'ny Makabeo
Ny Fikomian'ny Makabeo dia fikomiana nataon'ireo Jiosy tao Palestina notarihin'i Jodasy Makabeo teo anelanelan'ny taona 175 sy 140 tal. J.K., nanoherana ny fampidirana kolontsaina grika ao amin'ny kolontsaina jiosy sy niadian'ny Jiosy mpandala ny fomban-drazana tamin'ny Jiosy helenista, fony ilay seleokida atao hoe Antiokosy IV Epifanesy mpanjakan'i Siria no nifehy koa an'i Jodea (na Jodia). Izany fikomiana izany dia niteraka ny fahazoan'ny Jiosy fahaleovantena indray sy nanadiovana ny fivavahana jiosy tsy hahitana fomba grika ka niteraka ny fiorenan'ny fanapahan'ny fianakaviana hasmoneana. Izany fikomiana izany dia tantaraina ao amin'ireo Bokin'ny Makabeo.
Mandà ny hanao sorona amin'ny sampy i Matatià, sary nataon'i Gustave Popelin, 1882