Teo amin'ny Ntaolo raha manonona ny vazan-tany izy dia toy izao no fanaovany izany: tononiny aloha indrindra ny avaratra, izay vao ny atsimo, avy eo ny antsinanana ary faranany amin'ny andrefana. Tsy azo avadika izany filaharana izany fa toy ny mampitsimbadika ny filaminana misy amin'ny tontolo. Ohatra:" any ianareo zanahary avaratra, zanahary atsimo, zanahary antsiananana, zanahary andrefana"...

Araka izany dia samy manana ny filaharany sy ny heviny avokoa ny vazan-tany efatra teo amin'ny Ntaolo. Ny avaratra anefa no ambony sy manan-danja indrindra. Ara-tantara dia tamin'ny andron'Andriamanelo no nanomboka nipetraka tamin'ny tantara ny fanomezana ny mpanjaka nifandimby ny avaratra.