Augsburg
Velarantany 146,85 km2
Isam-ponina 301,033 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Eva Weber
Firenena  Alemaina
Faritany NC
Faritra NC

I Augsburg dia tanàna any Alemaina ao amin' ny Landan' i  Bavaria (fratsay: Bavière), vakivakin' ny Romantische Straße ("Lalana Rômantika").

Tanana iorenan' ny oniversite malaza any  Alemaina i Augsburg sady renivohitry ny distrikan' i Schwaben (Regierungsbezirk Schwaben), renivohitry ny boribrintanin' i Augsburg (Landkreis) ary foiben' ny diosezy katôlika iray. Ny lapa sy ny trano fiangonana ary ny trano fandraisam-bahiny maro ao aminy dia ahitana taratra ny fotoana volamena nandalovan' ny tantarany, tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16 naha tanàna nitana ny laharana voalohany azy tany Eorôpa.

Nisy mponina miisa 295 135 ity tanàna ity tamin' ny 31 Desambra 2018 ka mahatonga azy ho tanàna fahatelo be mponina indrindra manarakaraka an' i München sy i Nürnberg, ary tanàna fahatelo any  Bavaria (frantsay: Bavière).

Avy amin' ny anarana latina hoe ny Augusta Vindelicorum anarany. Atao hoe Augsbourg izy amin' ny teny frantsay fa mety ho hagasina hoe Aogsborga.

I Augsburg dia tanàna-boriborintany (Kreisfreie Stadt) sady iray amin' ny tanàna lehibe alemàna (Großstadt) miisa 82 hatramin' ny fiandohan' ny tanjato faha-20; nandingana ny isa 100 000 ny mponina ao aminy tamin' io vanimpotoana io ihany.

Jereo koa hanova

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: