Magdeburg
Velarantany 201,03 km2
Isam-ponina 239,364 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna de:Simone Borris
Firenena  Alemaina
Faritany NC
Faritra NC

I Magdeburg dia tanàna any Alemaina, renivohitr' i Sachsen-Anhalt, eo amoron' ny oni Elbe.

Ilay eperora jermanika Otto I (Otto der Große, "Otto Lehibe") no nifidy ity tanàna ity ho renivohitra vaovaon' ny Empira tamin' ny taona 936. Mbola tanàna lehibe ao amin' ny lohasahan' i Elbe i Magdeburg.

Ivontoeran' ny fifanakalozana momba ny fambolena sy momba ny varotra nifanaovan' ny Saksôna ity tanàna ity, izay akaiky an' ireo tany lonaka amin' ny Börde, mifampikasoka amin' ny lemaka lehibe ao avaratra sy amin' ny tangorom-bohitra hersiniana, seranan-tsambo an-drenirano manana nuy maha izy azy eo amoron' i Elbe, i Magdeburg dia tanàna asrsi-episkôpaly ivon' ny fampielezana ny filazantsara tamin' ny vahoaka any avaratra sy any atsinanana talohan' ny haha tanàna manan-danja azy tao amin' ny Empira Masina Rômana Jermanika.

Lasa tanàna prôtestanta tsara aro amin' ny ady i Magdeburg izay azon' ny mpikarama an' ady nalefan' ny Empira katôlika, notarihin' ny jeneraly Tilly, ary rava tanteraka tamin' ny fahamaizana tamin' ny 10 Mey 1631 nandritra ny Ady Telopolo Taona (fahamaizana nahafatesana olona miisa 25 000 amin' ny mponina 30 000). Ity tanàna prôtestanta ity dia niezaka indray naka amin' ny fomba mora ny toerany ara-toekarena, ka nanjary tanàna-orinasa taorian' ny fiovam-penitra ara-taozava-baventy, nefa tsy azony intsony ny anjara toerany afovoany ara-pitsarana sy ara-pôlitika. Lasa teo ambany fahefan' i Prosia izy sady nantsoina hoe Saksônia-Prosiana ny faritra nisy azy tamin' ny taonjato faha-19.

Jereo koa hanova

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: