Amôna (fanjakana)

(tonga teto avy amin'ny Amona (fanjakana))

I Amôna dia fanjakana na firenena tamin' ny Andro Taloha tao Atsinanana Akaiky teo anelanelan' ny tany efitr' i Siria sy ny ony Jordana. Ny vahoak' i Amôna dia atao hoe Amônita. Araka ny voalaza ao amin' ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 19.38) dia taranak' i Bena Amy zanak' i Lota no sady havana akaikin' ny Môabita.

Sarintanin' ny Atsinanana Akaiky tamin' ny taonjato faha-9. Miloko volomboasary ny Fanjakan' i Amôna.

Tamin' ny taonjato faha-13 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-6 tal J.K. dia nandroso ny sivilizasionan' ny Amônita. Ny tananan'i Rabata Amôna no renivohitry ny Môabita. Ny Israelita sy ny Amônita dia niady matetika. Tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-10 tal. J.K., araka ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam. 12.26-31), dia resin' ny mpanjaka Davida ka nandevoziny ny Amônita.

Tamin' ny taona 721 tal. J.K. taorian' ny faharavan' ny Fanjakan' i Israely dia nanorim-ponenana tao amin'ny atsinanan' ny ony Jordana ny Amônita. Ny Fanjakan' i Amôna mahaleotena dia rava teo antenantenan' ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taty aoriana dia nifangaro tao amin' ireo foko arabo ny Amônita.

Jereo koa: hanova