Relief map of USA Alaska.png

Ny Andilan-dranomasin'i Béring na Andilan-dranomasin'i Behring dia andilan-dranomasina manasaraka an'i Siberia atsinanana amin'i Alaska (83 km, fa 89 km kosa eo anelanelan'ny tanjona Dejnev ao Rosia, sy ny tanjon'ny Prince of Wales (frantsay: Prince-de-Galles) ao Alaska) sady mampitohy ny Ranomasin'i Bering, izay isampanany, amin'ny Ranomasin'ny Tsoktsa.

Avy amin'ny anaran'ilay tantsambo danoà atao hoe Vitus Béring (1681-1741) izay mpahita tany niasa tao amin'ny tafika an-dranomasina rosiana izay namakivaky an'io andilan-dranomasina io nandritra ny fahavaratry ny taona 1728. Ny nosy roan'i Diomeda dia saika hita eo amin'ny ivony, eo anelanelan'ny sisintanin'i Rosia sy Etazonia.