Ny fiteny kôpta dia fiteny hamitô-semitika avy amin' ny fiteny egiptiana tranainy izay avy amin' ny fiteny demôtika sy grika tranainy. Izy no fiteny ampiasaina amin' ny fotoam-pivavahana ao amin' ny fiangonana kristiana ao Egipta atao hoe Kôpta ihany koa. Avy amin' ny teny grika hoe Αἰγύπτιος / Aigúptios izay midika hoe "Egiptiana" ny teny koe kôpta. Miseho amin' ny endrika fitenim-paritra maro ny fiteny kôpta ka anisan' izany ny fiteny bohairika, ny fiteny sahidika, ny fiteny faiomika, ny fiteny ôksirinkita (na fiteny egiptiana antenatenany), ny fiteny akmimika ary ny fiteny likôpôlitana (na fiteny sobakmimika). Ny tahirin-tsoratra hita tao Nag Hammadi, ohatra, dia tamin' ny fiteny kôpta sahidika tranainy.

Jereo koa

hanova