Ny teboka dia mari-panoratana ampiasaina amin' ny fomba maro hampitana hevitra isan-karazany ka ny tena fantatra dia ny maha mari-piatoana azy, izy manana izao endrika anaty fobon-teny izao (.). Ampiasaina ny teboka rehefa manoratra mba hamaranana ny fehezanteny iray na izay andian-teny tiana hotaperina sy hosarahina mazava amin' ny hafa; na hanehoana fa nofohezina ilay teny na andian-teny ka ny tapany hahatsiarovana azy ihany (litera iray na vitsy) no sisa. Ampiasaina amin' ny sehatra maro koa ny teboka ho famantarana na eva manokana izay faritan' ny taranja misahana io sehatra io.

Jereo koa hanova