Ny teboka roa (:) dia mari-piatoana izay ampiasaina rehefa hanomboka fitanisana teny na hamerina tenin' olona (tonon-tsiahy) araka ny nitenena ny azy. Ampiasaina koa ny teboka roa amin' ny fanaovana asamarika hanehoana ny fizaràna (14 : 2 = 7), amin' ny fanasarahana ny toko amin' ny andininy amin' ny bokim-pivavahana toy ny Baiboly (Matio 2:4) na fanasarahana ny soràta amin' ny andininy ao amin' ny Kor'any (soràta 3:1). Ampisaina ihany koa ny teboka roa mba hanehoana, amin' ny fampiasana ny abidy ara-drafipeo, fa tonononina amin' ny fomba maharitra kokoa ny feon-teny iray [ i: ].

Jereo koa hanova