Ny dahalo na malaso dia mpangalatra, indrindra fa ny omby. Any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy no ahitana asan-dahalo na malaso betsaka sy mahery vaika indrindra eto Madagasikara: Ihosy, Betroka, Isoanala, Beraketa, Beroroha, Ilakaka, Ranohira, ary Amboasary Atsimo.