Pôlitikan' ny firazanana teto Madagasikara
Ny pôlitikan' ny firazanana teto Madagasikara dia nisongadina indrindra tamin' ny fampiharana naraon' i Joseph Gallieni tamin' ny fanjanahan-tany frantsay, izay fampiharana ny petra-kevitra ara-poko tamin' ny fitantanany ny zanatany. Izany dia nikendry ny hampisara-bazana ny Malagasy sy ny hampalemy ny rafi-pahefana efa nisy teo aloha ary haneho ho ara-dalàna ny fitondrana mpanjanaka, mba hahafahany manjakazaka.
Famaritana ankapobeny
hanovaNy pôlitikan' ny firazanana dia andiana pôlitika sy fomba fanao mikendry ny hanasokajy sy hanao laharam-pahamehana ary hifehy ny mponina amin' ny alalan' ny mason-tsivana ara-bolonkoditra na ara-pirazanana na ara-poko. Ireo pôlitika ireo dia mifototra amin' ny fiheverana fa mizara ho firazanana samihafa, manana toetra ara-biôlôjia sy ara-kolontsaina raiki-tampisaka anaty ny olombelona, ary misy ny firazanana ambony noho ny hafa.
Nampiasain' ny firenena mpanjanaka mba hanamarinana ny fitondrany sy ny fitsentsefany ny vahoaka tompon-tany ny pôlitikan' ny firazanana. Taty Afrika, ohatra dia nametraka rafi-pitantanana sy rafi-dalàna mifototra amin' ny fanasokajiana ara-poko ny mpanjanaka eorôpeana, ka nanome zo sy tombontsoa tsy mitovy ho an' ny Eorôpeana sy ny Afrikana.
Ny fototra niorenan' ny pôlitikan' i Gallieni
hanovaFisian' ny firazanana ambony sy ambany
hanovaNihevitra i Gallieni, izay voataonan' ny petra-kevitra momba ny firazanana nalaza tany Eorôpa tamin' ny faran' ny taonjato faha-19, fa ny foko malagasy samy hafa dia mifanao ambaratonga, ka ny Merina no eo an-tampony. Noheveriny ho nivoatra kokoa izy ireo, saingy manohitra kokoa ny fanjanahantany. Noheverina ho tsy dia mandroso sady moraina kokoa ny mponina "amorontsiraka" (Tanindrana).
Zarazarao hanjakana
hanovaNy ainga fototry ny pôlitikan' i Gallieni dia ny hampisara-bazana ny Malagasy mba hahafahany mifehy azy tsara kokoa. Nanao izay hisakanana ny firaisankina hanohitra ny fitondrana frantsay izy tamin' ny fampiadiana ny foko samihafa.
Fampiasana ny fandalinana ny foko
hanovaNampirisika ny fandalinana ny foko (etnôlôjia) i Gallieni mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba amam-panao sy ny fiteny ary ny rafi-piarahamonina misy eo amin' ny foko samihafa. Nampiasaina ny fahalalana azo tamin' izany mba hahatonga ny fitantanan' ny mpanjanaka hifanaraka amin' ny zava-misy sy hanamafisana ny fifehezany.
Ny fampiharana azo tsapain-tanana nataon' i Gallieni
hanovaFandravana ny fahefan' ny Merina
hanovaNiezaka nampihena ny lova napetraky ny Fanjakana Merina, izay nampiray ny ampahany be amin' ny Nosy talohan' ny fanjanahantany, i Gallieni. Nofoanany ny fahefan' ny mpanjaka ary nanangana fitantanana mivantana izy.
Famoronana ny fitantanan' ny lehibem-poko
hanovaMba hampisara-bazana ny Malagasy dia nanangana rafitra fiadidiana ara-poko i Gallieni, ka nanendry ny lehibe isan-toerana mba ho lehiben' ny foko tsirairay. Ireo lehibe na sefo ireo no tompon' andraikitra amin' ny fampitana ny baiko avy amin' ny fitondrana mpanjanaka sy ny fitandroana ny filaminana eo amin' ny fiaraha-monina misy azy avy.
Fandraisana mpiasa teo amin' ny fitantanana sy teo amin' ny tafika
hanovaNametraka rafitra samihafa fandraisana mpiasa i Gallieni teo amin' ny fitantanan-draharaha sy teo amin' ny tafika, ka nanome vahana ny foko sasany heverina ho tsy mivadika kokoa. Ity pôlitika ity dia nikendrena ny hampisara-bazana sy nisorohana ny mety hisian' ny fitsanganan' ny tafi-pirenena malagasy.
Pôlitikan' ny fanabeazana samihafa
hanovaNisy fiantraikany tamin' ny fampianarana ara-panjanaka ny pôlitikan' ny firazanana. Natsangana ny sekoly manokana ho an' ny foko samihafa, izay manana fandaharam-pianarana sy tanjona samihafa. Natao hitazomana ny fisaratsarahana sy hisorohana ny fidirana amin' ny fanabeazana ho an' ny rehetra ity pôlitika ity.
Ny tanjona sy vokatry ny pôlitikan' i Gallieni
hanovaNampiharina ny "zarazarao hanjakana". Tamin' ny fampiadiana ny foko malagasy isan-karazany, indrindra ny Merina izay nampifanoherina tamin' ny foko sasany hafa, dia nanao tanjona ny hampihena ny fanoherana ny fanjanahantany ny fitondrana frantsay. Nanamarina ny fanjakazakan' ny mpanjanaka sy ny fitrandrahana ny harenan' ny Nosy ny pôlitikan' ny firazanana, tamin' ny fanehoana ny Eorôpeana ho firazanana ambony sy tompon' andraikitra amin' ny fampielezana ny sivilizasiôna ny mponina teratany ny pôlitikan' ny firazanana.
Nisy fiantraikany teo amin' ny fandaminana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fitsinjarana ny fahefana ny pôlitikan' ny firazanana, ka nanome vahana ny foko sasany izay heverina ho afaka "miara-miasa" kokoa. Nanampy tamin' ny fanamafisana ny fizarazarana ara-poko teto Madagasikara ny pôlitikan' ny firazanana. Tamin' ny fampisaraham-bazana ny Malagasy dia nanasarotra kokoa ny fandaminana iraisana hanoherana ny Frantsay i Gallieni.
Fiantraikany amin' ny fiarahamonina malagasy ankehitriny
hanovaNa dia efa zato taona mahery lasa aza no nampiharin' i Gallieni ny pôlitikan' firazanana, dia mbola tsapa ihany ny vokany eto Madagasikara ankehitriny. Sarotra ny namafa ny lova navelan' ny fanjanahantany ary namela takaitra amin' ny lafiny ara-tantara sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy izany pôlitika izany.
Mbola fisian' ny tsy fifankahazoana ara-poko
hanovaNiteraka fisaratsarahana izay mbola mitohy hatramin’ izao ny fizarazarana ny Malagasy ho vondrona ara-poko. Mitohy hatrany ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ny vondron' olona sasany any amin' ny faritra sasany amin' ny mponina. Na dia tsy fahita firy aza ny fifandonana mahery vaika dia mbola misy ny fifanenjehana mangina sy ny fanavakavahana an-kolaka eo amin' ny fifandraisana ara-tsôsialy sy ara-toekarena ary ara-pôlitika. Hararaotin' ny mpisehatra pôlitika sasany izany mba hahazoana na hihazonana fahefana amin' ny alalan' ny famelomana indray ny fanavakavahana na ny fifampiampangana ho mpanavakavaka ara-poko. Namela takaitra lalina teo amin' ny fitadidiana iraisan' ny Malagasy ny pôlitikan' i Galliéni, ka misy ny ratram-po sy fahatsapan' ny vondrona sasany ny tsy rariny.
Fahasarotan' ny fananganana vahoaka mahatsiaro tena fa tokana
hanovaNanakana ny fananganana firenena malagasy tokana sy miray hina ny pôlitikan' i Galliéni tamin' ny alalan' ny fananterana ny fahasamihafan' ny foko fa tsy ny fitoviana. Ny fahatsapana ho anisan' ny foko iray no loha laharana kokoa noho ny fahatsapana ho vahoakan' ny firenena iray, ka manasarotra ny firaisankina ara-tsôsialy sy ny fampiharana ny pôlitikan' ny fampiraisam-pirenena mbamin' ny pôlitika ho an' ny firenena iray manontolo izany.
Tsy fitovian' ny isam-paritra
hanovaNanome vahana ny faritra sy foko sasany noho ny hafa ny pôlitikan' i Galliéni, izany dia nanampy trotraka ny tsy fitoviana ara-toekarena eo amin' ny faritra. Miteraka tsy fitovian' ny fahazoana fanabeazana, fahasalamana, fotodrafitrasa ary fahafahana ara-toekarena eo amin' ny samy Malagasy ireo tsy fitoviana ireo.
Fahalemen' ny rafitra pôlitika
hanovaNahatonga ny faharefoan' ny rafita pôlitika malagasy, sady nahatonga fahasahiranana amin' ny fananganana andrim-panjakana marin-toerana sy tsy manavakavaka, ny lova navelan' ny pôlitikan' i Galliéni. Hararaotin' ny mpisehatra pôlitika ny disadisa eo amin' ny samy foko ka mampihena ny demôkrasia sy ny fitoniana ara-pôlitika.