Afrikana (vahoaka)

Ny Afrikana, amin' ny heviny ara-jeôgrafia, dia ny mponin' i Afrika. Io teny io koa dia ampiasaina amin' ny heviny ara-poko mba hanondroana olona na vondron' olona avy amin' ny razambe afrikana manokana na amin' ny ankamaroany. Nisy mponina 1 225 080 510 i Afrika tamin' ny taona 2016. Tamin' ny taona 2005 dia nisy vondrom-poko miisa 2 000 eo ho eo i Afrika.