Joseph Simon Gallieni
I Joseph Simon Gallieni, izay fantatra amin'ny hoe Jeneraly Gallieni, teraka tamin'ny 24 Avrily 1849 tao Saint-Béat ao amin'i Haute-Garonne sy maty tamin'ny 27 Mey 1916 tao Versailles, dia miaramila sady mpandraharam-panjakana mpanjanatany frantsay. Nandray anjara be tamin'ny fanamafisana ny Empira frantsay izy, indrindra taty Afrika, tamin'ny alalan'ny fomba feno habibiana izay tafapaka tamin'ny fara tampony tamin'ny fandringanana ny Menalamba teto Madagasikara. Vita ny asany nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nakarina ho amin'ny laharam-boninahitra maresaly izy taorian'ny nahafatesany tamin'ny taona 1921.