Ny fiteny maôry dia fiteny pôlineziana ampiasain' ny Maôry, ny vahoaka teratany any Zelandy Vaovao. Mifandray akaiky amin' ny fiteny maôrin' ny nosy Cook sy Paumotu ary ny fiteny tahisiana izy io. Atao hoe reo Māori ity fiteny ity amin' ny fiteny maôry.

Tamin' ny taona 1987 dia lasa fiteny ôfisialin' i Zelandy Vaovao ilay fiteny; ny maha fiteny ôfisialy ny fiteny anglisy dia tsy ara-dalàna. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2018, ny fiteny maôry dia ampiasain' ny olona miisa 185 955, na 4 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao amin' ilay firenena. Manodidina ny iray amin' ny dimy ny olon-dehibe maôry afaka miteny an' io fiteny io. Fiteny am-bava izy tany am-boalohany nefa nosoratan' ny misiônera eorôpeana tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fampiasana ny abidy latina.