Nisana (volana hebreo)

Ny Nisana dia volana voalohany amin' ny tetiandro hebreo ampiasaina amin' ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ny andro firavoravoana ao amin' io fivavahana io. Volana fahafito kosa izy ao amin' ny tetiandro hebreo ampiasain' ny olona andavanandro ivelan' ny fivavahana, ka raha miampy volana fahatelo ambin' ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Anisan' ny volana ao amin' ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Manitsaka ny volana Marsa sy Avrily ao amin' ny tetiandro gregôriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin' ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan' ny fahababoan' ny Jody tany Babilôna, io volana io dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy sy ny Bokin' ny Deoterônômia (Eks. 12:2; 13:4; 23:15; 34:18; Deo. 16:1).

Amin' ny faha-14n' ny volana Nisana no ankalazan' ny Jiosy ny Pesakh (Paska jiosy) sy ankalazan' ny fiangonana kristiana sasany ny Paska.

Jereo koa

hanova