Mpanjakan' i Israely

(tonga teto avy amin'ny Mpanjakan'i Israely)

Ny mpanjakan' i Israely dia ireo mpanjaka avy amin' ny fokon' i Israely lazaina ao amin' ny Baiboly fa nanapaka ny tanin' i Israely ao Palestina, nanomboka tamin' ny taona 1051 tal. J.K. hatramin' ny taona 721 tal. J.K. Nanomboka tamin' ny nisarahan' ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà dia ireto ny mpanjakan' i Israely nifandimby raha tsy isaina i Saoly na Saola (שאול - Shā’ûl) sy Isbôseta (אִֽישְׁבֹּשֶׁת‬ / Ishboshet) sy i Davida (דָּוִד / Dāwîḏ) ary i Sôlômôna (שְׁלֹמֹה‬ / Shlomoh).

  • Jerôbôama I (hebreo: יָרָבְעָם‬ / Yaraḇe‘am);
  • Nadaba (hebreo: נָדָב‬ / Naḏaḇ);
  • Baasa na Basa (hebreo: בַּעְשָׁא‬, / Baʿashaʾ);
  • Ela (hebreo: אֵלָה‎ /’Elah);
  • Zimry (hebreo: זִמְרִי / Zimri,);
  • Omry (hebreo: עמרי‬ / ‘Omri);
  • Ahaba (hebreo: אַחְאָב / ʼAḥʼaḇ);
  • Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אֲחַזְיָה‎ / ’Aḥazyah);
  • Jorama (hebreo: יְהוֹרָם‎ / Yehoram);
  • Jeho (hebreo: יֵהוּא‬ /Yehu);
  • Joahaza na Jôakaza (hebreo: יְהוֹאָחָז‎ / Yeho’aḥaz);
  • Joasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yeho’ash na יואש / Yo’ash);
  • Jeroboama II (hebreo: יָרָבְעָם‎ / Yaraḇe‘am);
  • Zakaria (hebreo: זְכַרְיָה‎ / Zeḵaryah);
  • Saloma (hebreo: שַׁלּ֤וּם‎ / Shallum);
  • Menahema (hebreo: מְנַחֵם / Menaẖem);
  • Pekahia na Faseia (hebreo: פקחיה‎ / Peqaḥyah);
  • Peka na Fasea (hebreo: פֶּ֨קַח‎ / Peqaḥ);
  • Hôsea na Ôsea (hebreo: הושע / Hoshea‘).

Jereo koa hanova