Tanin' i Israely
Ny Tanin' i Israely dia faritra ara-jeôgrafia mahafaoka ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà, izay tany nipoiran' ny vahoaka jiosy. Atao hoe ארץ ישראל / Eretz Israel izy amin' ny teny hebreo (na hebrio).
Ao amin' ny Baiboly ny "Tanin' i Israely" dia:
- teny ara-pivavahana satria manondro ny fanomezan' Andriamanitra; ampiasaina voalohany izany ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 13.19)[1] [2];
- teny ara-jeôgrafia koa; ny famaritana ara-jeôgrafia omen' ny Baiboly anefa tsy dia mazava loatra: ao amin' ny lahatsoratra sasany dia misy filazana ny Tany nomena izay toa manomboka any amin' ny "onin' i Ejipta hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny onin' i Eofrata" (avy any Ejipta hatrany Iràka ankehitriny izany), ny lahatsoratra sasany milaza faritra eo anelanelan' ny ranomasina sy ny ony Jordana, izay mifandraindraika amin' ny faritra atao hoe Palestina[3];
- teny ara-pôlitika koa: izany dia tany nomena ny Jiosy mba honenany, avy eo nanomboka tamin' ny mpanjaka Saoly (na Saola) mba hanorenana fanjakana.
Ny teny hoe "Tanin' i Israely" dia ampiasain' ny Jiosy sy ny Kristiana nandritra ny tantara. Io Tanin' i Israely io koa dia atsoin' ny Jiosy hoe "Tany nampanantenaina" mba hampahatsiahivana ny fampanantenana voalohany nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nilazany ny hanomezany io tany io ho azy ireo sy ho lovan' ny taranak' izy ireo, araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 17.8)[4].
Ny anarana hoe "Tany Masina" dia ampiasain' ny Kristiana mba hampahatsiahivana ny fiainan' i Jesoa.
Taorian' ny fanaovan-tsesitany maro dia niparitaka manerana izao tontolo izao ny vahoaka jiosy. Misy fifamatorana ara-panahy mafy anefa ny "Fanambaràna ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely" ankehitriny izay mampifandray azy amin' io tany io.
Loharano sy fanamarihana
hanova- ↑ "Ary teny amin' ny tanin' ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo." (1Sam. 13.9, Ny Baiboly)
- ↑ "Tsy nisy mpanefy teo amin' ny tanin' Israely rehetra, fa nataon' ny Filistina hoe: Aoka ny Hebrio tsy hahazo manefy sabatra na lefona intsony." (1Sam. 13.9, Ny Baiboly Masina)
- ↑ Jereo: Genesisy 15-18.
- ↑ "Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho." (Gen. 17.8, Ny Baiboly)