Menno Simons
Ankapobeny
Anarana Menno Simons
Teraka taona 1496
Maty 31 Janoary 1561
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Menno Simons dia mpitondra fivavahana kristiana evanjelika hôlandey anabatista, avy any Friesland (na Frise). Niteraka ny hetsika menônita ny mpanaraka azy. Teraka tamin' ny taona 1496 tao Witmarsum (Nederlandy) izy ary maty tamin' ny 31 Janoary 1561 tao Wüstenfelde (Empira Rômana Masina).

Tantaram-piainany

hanova

I Menno Simons dia teraka tamin' ny taona 1496 tao Witmarsum any Friesland, any Nederlandy nofehezin' ny Habsburgs. Mpamboly angamba ny ray aman-dreniny, ary nahazo fianarana tany amin’ ny mônastera teo akaiky teo i Menno. Nanana fahalalana sasantsasany momba ny Rain’ ny Fiangonana izy, ary nahay teny grika sy latina.

Asa fanompoana katôlika

hanova

Tamin' ny taona 1524, teo amin' ny faha-28 taonany, dia notokanana ho pretra tao Utrecht, ary lasa vikera tao Pingjum (Friesland). Toa voataonan' ny hevitra momba ny sakramenta an' ireo mpanavao hôlandey tany am-boalohany sy ny famakiana ny Testamenta Vaovao manodidina ny taona 1526 izy. Teo izy dia nanomboka nisalasala ny amin' ny tena fisian' i Kristy ao amin' ny Eokaristia.

Fantatra fa teo anelanelan' ny taona 1526 sy 1531 izy dia nihevitra ny tenany ho mpitory "evanjelika", na dia tsy niala amin' ny Fiangonana Katôlika aza. Voatendry ho pretra tao Witmarsum izy tamin' ny taona 1531. Rehefa nanomboka nanao ny batisan' ny mino manodidina ny taona 1530-1531 ny mpanaraka an' i Melchior Hoffman (atao hoe Melkiôrita) dia nanontany tena i Menno ary tsy nahita fanohanana ara-Baiboly ho an' ny batisan-jaza. Na dia mbola tsy nikambana tamin' ny Melkiôrita aza izy, dia hita tao amin' ny iray amin' ny asa sorany voalohany (La Résurrection spirituelle, na The Spiritual Resurrection, 1534) fa ny eritreriny dia nanakaiky ny an' ny Melkiôrita.

Tamin' ny Avrily 1535 dia Anabatista an-jatony maro, voataonan' ny hafatra avy amin' ny tanànan' i Münster tamin' izany fotoana izany teo am-pelatanan' ny Anabatista, no naka ny mônastera Oldeklooster, any Friesland. Taorian' ny fahirano fohy dia novonoina na nogadraina ny ankamaroan' ny môanina. Nahatsiaro ho tompon' andraikitra tamin' ilay loza i Menno, ary nanoratra bokikely iray hanoherana ny mpitarika monsterita, mitondra ny lohateny hoe The Blasphemy of Jan van Leyden na Le Blasphème de Jan van Leyden. Na dia misy fetrany aza ny fitiavany filaminana (fantany fa ilaina indraindray ny fiarovan-tena), izy dia nanohitra ny fikasana monsterita ny hanorina ny Fanjakan' Andriamanitra eto an-tany amin' ny sabatra. Satria nianjera i Münster roa volana aty aoriana, dia tsy navoaka ilay bokikely.

Fanompoana tao amin' ny anabatisma

hanova

Tamin' ny Janoary 1536 dia nandao ny Fiangonana Katôlika i Menno, taorian' ny fisalasalany momba ny sakramenta. Natao naverina natao batisa niaraka tamin' ny Anabatista izy tamin' io taona io ihany ary tamin' ny taona nanaraka dia notendren' ny loholona Obbe Philips ho loholona hisolo azy rehefa miala ao amin' ny fiangonana. Taty aoriana dia izy no nitarika ny Anabatista amin' ny fomba tsy misy herisetra manoloana ny mpanenjika. Nanambady izy ary niteraka. Hatramin' io vanim-potoana io dia natao haza lambo i Menno.

Tamin' ny taona 1540 dia namoaka ny boky Fondation de la doctrine chrétienne izy, boky ara-teôlôjia momba ny finoana sy fanao anabatista, izay nadika amin' ny fiteny hafa taty aoriana. Ity boky ity sy ny hafa nataon' i Menno Simons no fototry ny anabatisma sy ny menônisma. Ny fanavaozana mahery vaika nataon' ny Menônista sy ny Batista no niavian' ny fivoaran' ny hetsika evanjelika taty aoriana.

Nipetraka tany Groningen any Cologne izy, ary nonina tany Schleswig-Holstein nandritra ny telo ambin' ny folo taona farany niainany. Maty tamin' ny volana Janoary 1561 izy.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova
  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.