Ny batisan-jaza na batemin-jaza dia fampianarana kristiana izay ilazana fa tsy maintsy atao batisa na batemy ny zaza, eny fa na dia ny zaza vao teraka aza. Mifanohitra amin' ny batisan'ny mino izay mampianatra ny batisa ho tsy tokony hatao afa-tsy amin' ny olona nahavita fanambaràna ny finoany izany. Ny ankamaroan' ny antokom-pivavahana kristiana dia manao batisa ny zaza. Ny fiangonana katôlika, ny fiangonana loterana, ny fiangonana nohavaozina, ny fiangonana ôrtôdôksa sy ny maro hafa dia manatanteraka fanaovam-batisan-jaza. Izany fanao izanay dia tsipahin' ireo fiangonana prôtestanta sasany, indrindra ny Anabatista, ny Menônita, ny Batista, ny Vavolombelon' i Jehovah ary ny ankamaroan' ireo fiangonana evanjelika.

Teo amin' ny tantara dia nanohana izany fanaovana batisa ny zaza izany i Zwingli ka tsy nifanarahany tamin' ny Anabatista izany, ka nilazany fa tsy misy lalàna mandrara ny fanaovana izany. Nanazava i Zwingli fa ny batisa dia famantarana ny fanekem-pihavanana amin' Andriamanitra, ka misolo ny famorana ao amin' ny Testamenta Taloha.

Jereo koa hanova