Jodaisman' ny Tempoly Faharoa

Ny jodaisman' ny Tempoly Faharoa dia endriky ny fivavahana jiosy izay nivoatra nandritra ny vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa, nanomboka tamin' ny fananganana ny Tempoly Faharoa tamin' ny taona 516 tal. J.K. ary nifarana tamin' ny nanaovan' ny Rômana fahirano an' i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K.

Ny Tempoly Faharoa taorian' ny fanarenana nataon' i Herôda Lehibe.

Ny vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa dia nisongadinan' ny fipoiran' ny hetsika sy firehana ara-pivavahana maro ary koa ny fivoarana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana ary ara-pôlitika teo amin' ny Jiosy. Nahitana ny fivoaran' ny kanônan’ ny Baiboly hebreo sy ny sinagôga ary ny eskatôlôjia jiosy izany vanim-potoana izany. Fanampin' izany, ny fisandratan' ny kristianisma dia nanomboka tamin' ireo taona farany tamin' ny vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa.

Araka ny lovantsofina jiosy dia nitsahatra ny faminaniana tena izy (hebreo: נְבוּאָה‎ / Nevu'ah) nandritra ireo taona voalohan' ny Tempoly Faharoa; izany dia namela ny Jiosy tsy nanana ny tari-dalan' Andriamanitra tamin' ny fotoana nahatsapany filana fanohanana sy fitarihana indrindra. Teo ambany fitondrana helenistika dia nanjary lonilony teo amin' ny Jiosy mpandala ny nentin-drazana, izay nifikitra tamin' ny mônôteisma hentitra, ny fitomboan' ny fampidirana singa helenistika tao amin' ny jodaisma.

Ny fanoherana ny fitaoman' ny Helenista teo amin' ny fanao ara-pivavahana sy ara-kolontsaina jiosy no tena nitarika ny Fikomian' ny Makabeo tamin' ny Empira Seleokida. Taorian' ny niorenan' ny tarana-mpanjaka hasmôneana, dia nohamafisin' ny Makabeo nanerana ny Tanin' i Israely ny jodaisma nentim-paharazana, rehefa nanitatra ny fari-taniny mahaleo tena.

Ireo taona faramparany tamin' ny vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa dia nahita ny fivoaran' ny hevitra maro momba ny Mesia jiosy. Tamin' ny taona 170 tal. J.K. ka hatramin' ny taona 30 tal. J.K., dia taranaky ny Zugot dimy nifandimby no nitarika ny raharaha ara-panahin' ny Jiosy; nandritra io vanim-potoana io no niforonan' ny ankolafy maro toy ny Fariseo, ny Sadoseo, ny Eseniana, ny Zelôta, ary ny Kristiana voalohany. Ny Am ha'aretz / עם הארץ ("vahoakan' ny tany"), izany hoe ny olona tsy nahita fianarana tao amin' ny Tany Masina, dia mety ho hita ho toy ny antoko hafa tao amin' ny jodaisman' ny Tempoly Faharoa.

Jodaisma hanova