Fikomian' ny Makabeo
Ny Fikomian' ny Makabeo dia fikomiana nataon' ny Jiosy na Jody tao Palestina (faritra) notarihin' i Jodasy Makabeo teo anelanelan' ny taona 175 sy 140 tal. J.K., nanoherana ny fampidirana kolontsaina grika ao amin' ny kolontsaina jiosy sy niadian' ny Jiosy mpandala ny fomban-drazana tamin' ny Jiosy helenista, fony ilay Seleokida atao hoe Antiôkôsy IV Epifanesy mpanjakan' i Siria no nifehy koa an' i Jodea (na Jodia). Izany fikomiana izany dia niteraka fahazoan' ny Jiosy fahaleovan-tena indray sy nanadiovana ny fivavahana jiosy tsy hahitana fomba grika ka niteraka fiorenan' ny fanapahan' ny fianakaviana hasmôneana. Izany fikomiana izany dia tantaraina ao amin' ireo Bokin' ny Makabeo.