Ny fozaorana dia karazana orana izay hita voalohany tamin' ny varotra biby fanao an-trano tany Alemaina tamin' ny taompolo 1990. Ny anarany ara-tsiansa dia Procambarus virginalis. Vavy afaka manatody sy manan-janaka tsy misy lahiny izy.

Fozaorana (Procambarus virginalis)

Tany am-boalohany, ny mpahay siansa dia nihevitra fa zana-karazan' ny Procambarus fallax izy io, ka nanaloy io anarana io amin' ny hoe forma virginalis. Tamin' ny taona 2017 anefa, ny fandinihana lalina momba ny fototarazony dia nanome azy ny satan' ny karazana mahaleo tena, nanamafy ny fandinihana in vivo fa tsy mifampiteraka ireo kqarazana roa ireo.

Io endrika io dia manakaiky ny karazana Procambarus fallax, izay misy betsaka manodidina an' i Florida, saingy tsy fantatra ny mponina voajanaharin' ny Procambarus virginalis.

Miteraka fahasimbana goavana ny fielezan',izy ireo eny amin' ny zavaboahary, anisan' izany ny eto Madagasikara izay lasa loza mitatao ho an' ny karazana orana teratany fito. Izy io koa dia mitondra zavamananaina bitika (Aphanomyces astaci) izay afaka mamono ny orana teratany.

Ity orana ity dia tsy mifidy zavatra hohanina ary manana karazan-tsakafo betsaka manomboka amin' ny biby velona (bibikely, trondro madinika, sifotra anaty rano) ka hatramin' ny zavamaniry lo.

Biby mpanani-bohitra

hanova

Ity karazana ity, izay afaka miteraka tsy misy firaisana, dia toa nandositra any anaty zavaboary tany Alemaina.

Nanomboka teo dia nanjary larazana mpanani-bohitra tany amin' ny firenena mitombo isa hatrany io karazana io ary mora mihabetsaka izy io raha toa ka saika ny antsasaky ny karazana amerikana no tandindomin-doza ary eo ho eo amin' ny ampahatelon' ny orana eran-tany no atahorana ho lany tamingana. Tao anatin' ny 20 taona dia niparitaka nanerana an' i Eorôpa sy i Afrika izy ireo, ka nandrava ny rafi-tontolo iainana sady nandrahona ny karazana teratany.

Tamin' ny taona 2015 dia mbola izy io no karazana tian' ny mpiompy bibin-drano anaty trano indrindra any Amerika Avaratra. Ao amin' ny Vondrona Eorôpeana dia nampidirina nanomboka tamin' ny taona 2016 tao amin' ny lisitry ny karazana vahiny mpanani-bohitra an' ny Vondrona Eorôpeana ilay karazana, ka tsy azo amidy, na tehirizina, na zaraina na avoaka any anaty amin' ny zavaboary. Tamin’ ny taona 2022 dia tsy voafehy intsony izany eto Madagasikara, izay anaovana fikarohana mizotra mankany amin' ny fanaovana azy ho sakafo, eny fa na hatramin' ny fanazovana azy ho fanafody mihitsy aza.

Izy ireo dia efa nampidirina tao amin' ny tontolo voajanahary amin' ny kôntinanta dimy. Hita any anaty natiora any amin' ireto firenena manaraka ireto izy ireo ankehitriny:

Jereo koa

hanova