Ny orana dia biby anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, folo rantsam-batana ka ny roa voalohany toy ny tandra misy kinifinifiny ahafahany miketoka. Ao amin' ny zafim-pilaharana Astacidea, ao amin' ny fianakaviambe Astacoidea sy Parastacoidea izy ireo nefa miparitaka amin' ny vondron-karazana maro. Misefo amin' ny alalan' ny sagoaga miendrika volom-borona izy ireo. Ny karazana sasany dia hita any amin' ny renirano kely, izay ikorianan' ny ranomamy, fa ny hafa kosa miaina eny amin' ny heniheny na honahona sy ny tatatra ary ny tanimbary. Ny ankamaroan' ny orana dia tsy mahazaka rano maloto, na dia misy karazana sasany, mahazaka, toy ny Procambarus clarkii. Mihinana biby sy zavamaniry, na velona na efa lo ny orana.

Orana

Jereo koa

hanova