Fiteny ao Etiôpia

Ny fiteny ao Etiôpia dia ahitana ny fiteny ôfisialin' i Etiôpia sy ny fitenim-pirenena sy isam-paritra ao aminy, ary ny fitenin' ny vitsy anisa, ary koa ny fiteny vahiny. Fiteny miisa 100 no ampiasaina any Etiôpia. Ny sasany manana mpiteny latsaky ny 10 000. Ny ankamaroan'ireo fiteny ireo dia ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika (semitika, kositika, ômôtika) na ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana.

Hatramin' ny nampanan-kery ny Lalàm-panorenan' ny taona 1994 dia very ny maha fiteny ôfisialy ny fiteny amharika, araka ny andininy faha-5-1 izay manamafy ny faneken' ny fanjakana etiôpiana ny fananan' ny fiteny etiôpiana rehetra sata mitovy; na izany aza, ny andininy faha-5-2 dia manome satan' ny fiteny enti-miasa ny fiteny amharika ho an' ny governemanta federaly.

Araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2007, ny fitenin-dreny lehibe indrindra ao Etiôpia dia ny fiteny ôrômô (tenenin' ny Ôrômô) izay manana mpiteny miisa 24 930 424 (na 33,8 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena), arahin' ny fiteny amharika (tenenin' ny Amhara) izay misy mpiteny 21 634 396 (29,3 %) sady fiteny ampiasaina amin' ny fitantanana ao amin' ilay firenena. Ny fiteny lehibe hafa dia ny fiteny sômaly (tenenin' ny Sômaly, 6,2 %), ary ny fiteny tigrinia (tenenin' ny Tigreana, 5,9 %). Ireo vondrona efatra ireo dia manambatra ny telo ampahefatry ny mponina ao Etiôpia. Misy fiteny afrô-aziatika hafa manana mpiteny maro be dia ahitana ny fiteny kositika sidama (tenenin' ny Sidama, 4,0 %), afara, hadià ary agao, ary koa ny fiteny semitika gorage, harary, silt'e, ary argôba. Ny fiteny arabo, izay ao amin' ny fianakaviana afrô-aziatika ihany koa, dia ampiasaina amin' ny faritra sasany.

Hatramin' ny nianjeran' ny Derg (governemanta miaramila vonjimaika tao Etiôpia sôsialista), ny fiteny amharika no fiteny ôfisialin' ilay firenena. Ny fampianarana mamaky teny sy manoratra dia azo natao amin' ny fiteny hafa, saingy tsy maintsy nianatra haingana ny fiteny amharika ny mpianatra raha te hanohy fianarana, avy eo nianatra ny fiteny anglisy. Ity farany ity no mbola fitenin' ny fampianarana ambony.

Nanomboka tamin' izay, ny Lalàm-panorenan' ny Repoblika Demôkratika Federalin' i Etiôpia dia miantoka ny zon' ny olom-pirenen' ny fanjakana rehetra hampivelatra ny fiteniny sy hampiasa azy io ho fiteny ianarana mamaky teny sy manoratra sy ho fitenin' ny fitantanana ifotony na isam-paritra. Ny faritra sasany dia mampiasa ny silaberan' ny fiteny gezy, ny hafa kosa mampiasa ny abidy latina.