Ny fiteny ômôtika dia fianakaviam-piteny ao Afrika Atsinanana, ka ny ankamaroany dia tenenina ao Etiopia. Mbola iadian-kevitra anefa ny fidiran'ny fiteny ômôtika ho isan'ny vondrom-piteny hamito-semitika. Mahazatra ny fiheverina azy ho sampana andrefana ao amin'ny fiteny kositika. Amin'ny mpahay teny sasany dia sampana mahaleo tenan'ny fiteny hamito-semitika ny fiteny ômôtika.