Ny fiteny ofisialy na teny ofisialy dia fiteny manana sata manokana voalazan'ny lalàm-panorenana na ny rijantenin-dalàna fa ampiasain'ny fitondram-panjakana sy ny fandraharahana ary ny fampianarana ao amin'ny firenena na fanjakana na fikambanana iray. Tsy maintsy ampiasain'ny sampan-draharaham-panjakana (ny rantsamangaika ao amin'ny governemanta, ny fitsarana, ny boky firaketana ny raharaham-panjakana, sns) ny fiteny ofisialy. Misy ny firenena manana fiteny ofisialy tokana, misy ny manana maro, ary misy ny tsy manana.

I Belzika sy i Loksamborga dia manao ny fiteny frantsay, ny fiteny neerlandey ary ny fiteny alemàna ho fiteny ofisialy. Fiteny ofisialy ao Kamerona sy ao Kanadà ny manao ny frantsay sy ny fiteny anglisy. Tsy misy afa-tsy ny fiteny frantsay no fiteny ofisialy ao Frantsa. Tsy manana fiteny ofisialy (faritan'ny lalàm-panorenana) i Etazonia nefa ny fanjakana federaly sasany ao aminy dia nisafidy ny fiteny anglisy. Ny Firenena Mikambana dia manao ny fiteny arabo, anglisy, espaniola, frantsay, mandarina (sinoa) ary rosiana ho fiteny ofisialy.