Fiendrika anoina
Ny fiendrika anoina dia iray amin' ireo fiendrika fantatra indrindra ankoatra ny fiendrika mañano. Matetika izy io no aseho ho endriky ny matoanteny mifandraika amin' ny lazaina iharan' ny asan' ny mpanao asa izay lasa mitana ny anjara asa fameno mpanao.
Fiendrika anoina ao amin' ny fiteny malagasy
hanovaFiendrika anoina araka ny fitsipiteny tranainy
hanovaIreo nahita fiendrika roa ao amin' ny fiteny malagasy
hanovaAo amin' ireo fitsipiteny ireo dia tsy misy afa-tsy ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina ao amin' ny fiteny malagasy.
Ireo nahita fiendrika telo ao amin' ny fiteny malagasy
hanovaAo amin' ireo fitsipiteny ireo dia misy fiendrika mañano sy fiendrika anoina ary fiendrika añanovana ao amin' ny fiteny malagasy.
Fiendrika anoina araka ny haiteny malagasy
hanovaFitodika mifanandrify amin' ny fiendrika anoina ao amin' ny haiteny araka anjara asa
hanovaAo amin' ny haiteny araka anjara asa izay nitondra fanitsiana tamin' ny fitsipiteny tranainy dia notsinjarainy amin' ny fitodika maro ny fiendrika anoina, ka anisan' izany ireto fitodika ireto:
- Fitodika atao: Aketsa ny vary.
- Fitodika iharana: Kapain' ny ankizy amin' ny antsy ny hazo.
- Fitodika fitaovana: Akapan' ny ankizy ny hazo ny antsy.
- Fitodika mpandray: Tolorana tanana ireo mila fanampiana
Fiendrika anoina ao amin' ny haiteny ara-piofohana
hanovaAo amin' ny haiteny ara-piofohana, izay lazan' ny mpikaroka ao aminy fa mitondra fanitsiana amin' ny asa nataon' ny haiteny araka anjara asa malagasy, dia iray amin' ireo fiendrika telo ny fiendrika anoina, ka ny roa hafa dia ny fiendrika manano sy ny fiendrika ananovana. Voatsinjara amin' ireo atao hoe fitodika zoina anefa ny hevitra ampitain' ny fiendrika anoina ka ireto avy izany:
- Fitodika zoina iharana: Kapohina kibay ny omby.
- Fitodika zoina fitaovana: Akapoka ny omby ny kibay.
- Fitodika zoina tanty: Rosoana sakafo ny olona nasaina.
- Fitodika zoina tolorana: Ivarotako ny fiarako ilay mpanan-karena.
- Fitodika zoina toerana: Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
- Fitodika zoina alalana: Anenjehana lambo ny alika.
Fiendrika anoina ao amin' ny fiteny hafa
hanovaMaro ny fiteny ahitana ny fiendrika anoina nefa tsy ny matoanteny rehetra ao aminy no afaka ovaina ho amin' io fiendrika io fa izay mahafeno fepetra, toy ny fananana fameno zoina ary mety hilaina koa ny maha mivantana izany fameno izany. Matetika koa dia ampidirina ho anisan' io fiendrika io avokoa ny fiendrika rehetra izay tsy anisan' ny fiendrika manano, afa-tsy ny endri-matoanteny mitampody izay sokajina ho fiendrika na fitodika mahaleo tena arakaraka ny hevitry ny mpahay teny. Ho an' ireo mpikaroka ao amin' ny haiteny ara-piofohana dia misampana avy amin' ny matoanteny mañano ny matoanteny amin' ny fiendrika anoina. Amin' ny fiteny sasany, ny fampitodihana ny fehezanteny amin' ny anoina dia mety hanova endrika ny teny (anarana na mpisolo sns) atao lazaina (ilay teny fameno ao amin' ny fehezanteny mañano).
Matetika koa dia ialohavan' ny mpampiankin-teny milaza ny mpanao ny asa ilay anarana na mpisolo sns mitana ny anjara asa fameno (ilay teny nitana ny anjara asa lazaina tao amin' ny fehezanteny manano). Izany mpampiankin-teny izany dia ny hoe par ao amin' ny fiteny frantsay, by ao amin' ny fiteny anglisy, ab ao amin' ny fiteny latina sns. Ao amin' ny fiteny sasany dia ilaina ny fampiasana matoanteny mpanampy apetraka eo alohan' ny ova-matoanteny (être ao amin' ny fiteny frantsay, be ao amin' ny fiteny anglisy, sns) nefa ny fiteny sasany tsy mila an' izany (isan' izany ny fiteny malagasy).
Ohatra:
Frantsay: La souris est mangée par le chat. ("Hanin' ny saka ny voalavo")
Anglisy: The mouse is eaten by the cat. ("Hanin' ny saka ny voalavo")
Latina: Mus a fele editur. ("Hanin' ny saka ny voalavo")