Fitodika fitaovana

(tonga teto avy amin'ny Fitodika zoina fitaovana)

Ny fitodika fitaovana na dia fitodika asahon' ny endriky ny matoanteny ao amin' ny fehezanteny izay ahitana lazaina manondro ny zavatra ampiasaina hanatanterahana ny asa. Ny lazaina amin' ny fehezanteny mitodika amin' ny fitaovana dia mitana ny anjara asa fameno fitaovana ao amin' ny fehezanteny mitodika amin' ny lazaina mpanao. Ao amin' ny fiteny malagasy dia matetika ny ahitana matoanteny aman-tovona -ana ny fehezanteny mitodika amin' ny lazaina fitaovana, nefa misy ny fehezanteny ahitana matoanteny misy tsirin-teny sara-droa.

Ohatra:

  • Akapan' ny ankizy ny hazo ny antsy. (fehezanteny mitodika amin' ny fitaovana)
  • Mikapa hazo amin' ny antsy ny ankizy. (fehezanteny mitodika amin' ny mpmanao)

Ny haiteny ara-piofohana dia manavaka ny "fitodika zoina fitaovana" amin' ny "fitodika zoina alalana" izay samy ataon' ny haiteny araka anjara asa hoe "fitodika fitaovana".

Jereo koa hanova