Volombato

(tonga teto avy amin'ny Bryophyta)

Ny volombato dia zavamaniry kely, tsy misy lalan-dranon-kazo sy tsy misy voniny, ao amin' ny fizarana taksônômika Bryophyta amin' ny heviny tery. Ny Bryophyta (amin' ny heviny malalaka, Schimp. 1879) dia mety manondro ny vondrona eo amboniny, zavamaniry an-tanety izay tsy manana rafi-dalan-dranon-kazo tena izy, dia ny Hepaticophyta (hepatika) sy ny Bryophyta (volombato) ary ny Anthocerotophyta. Amin' ny ankapobeny dia mamorona vondrona na lafika maitso matevina, matetika eny amin' ny toerana mando na misy alokaloka, ny volombato.

Volombato

Noho izy tsy misy faka sy lininina dia ahafahany mifikitra amin' ny tany na vato ny rizôidany, ary ity zavatra ity ihany koa, ho an' ny karazana sasany, dia ahafahany mipetaka eny amin' ny zavamaniry hafa (epifita). Tsy manana tambatsela mpitondra ranon-kazo mitovy amin' ny an' ny zavamaniry misy voa (Spermatophytina) izy ireo: tsy misy ksilema na flôema ny fitaovam-pitsiriany (ny vatany).

Matetika ny zavamaniry tsirairay dia ahitana ravina tsotra izay sela iray ihany amin' ny ankapobeny ny hateviny, miraikitra amin' ny taho izay mety misampana na tsy misampana ary tsy manana anjara asa afa-tsy amin' ny fitaterana rano sy otrikanina. Na dia misy karazany sasany aza manana tambatsela mpitatitra, amin' ny ankapobeny dia tsy mivoatra tsara izany ary tsy mitovy amin' ny rafi-tambatsela ao amin' ny zavamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta).

Tsy manana vihim-boa ny volombato ary aorian' ny fandonahana dia miteraka spôrôfita miaraka amin' ny taho tsy misy rantsana ipetrahan' ny kapsiola tokana misy spôra. Amin' ny ankapobeny dia eo anelanelan' ny 0,2 sy 10 sm ny halavan' ny volombato, na dia lehibe kokoa aza ny karazana sasany. Mety manana haavo mahatratra 50 sm ny Dawsonia, izay volombato avo indrindra eran-tany. Misy karazany 12 000 eo ho eo ny volombato.

Jereo koa

hanova