Ny voninkazo na vony na indrandray koa felana, ao amin' ny biôlôjia, ao amin' ny zavamaniry mamony (Angiospermae), dia ny taovam-pananahana sy ny fonosana rehetra manodidina izany. Aorian' ny fipetahan' ny vovobony avy amin' ny lahimbony mankamin' ny vavimbony dia lonaka ilay voninkazo ary mivoatra ho voankazo misy vihy (na voankazo tsy misy vihy indraindray). Mety ho irery ny voninkazo, nefa matetika izy ireo dia mitambatra ho vondrombony.

Voninkazo
Faritra fananahana amin' ny Lilium longiflorum. 1. fandray vovobony, 2. tahom-bavimbony, 3. lahimbony, 4. tahon-dahimbony, 5. felam-bony

Fitambarana taova ny voninkazo - ravimbony izay manarona sy miaro ny voninkazo mivoatra. Mahasarika ny biby mpamindra vovobony ny felambony sy ny taovam-pananahana mamokatra gametôfita, izay mamokatra gameta ao amin' ny zavamaniry mamelana. Voahidy ao anatin' ny vihim-bovobony vokarina ao amin' ny totsim-bovoka ny gametôfita lahy, izay mamokatra tsirinaina lahy. Ao anatin' ny tsirivavy novokarina tao amin' ny fihary atodinaina ny gametôfita vavy.

Ny vovobony miraikitra amin' io tantely io dia hifindra any amin' ny voninkazo manaraka.

Miankina amin' ny biby mpamindra vovobony toy ny tantely sy samoina ary lolo ny ankamaroan' ny zavamaniry mamelana, amin' ny famindrana ny vovobony eo amin' ny voninkazo samihafa, ary nivoatra mba hisarika ireo mpamindra vovobony ireo amin' ny alalan' ny paikady isan-karazany, anisan' izany ny loko marevaka, ny felany mibaribary, ny fofona mahafinaritra ary ny famokarana mamimbony izay loharanon-tsakafo ho an' ny mpamindra vovobony. Amin' izany fomba izany dia maro ny zavamaniry mamelana no nivoatra niatraka amin' ny mpamindra vovobony ka lasa nifampiankina eo amin' ny asa ifanomezan' izy samy izy— fitaovana fananahana izany ho an' ny zavamaniry fa loharanon-tsakafo kosa ho an' ny mpamindra vovobony.

Mipetaka eo amin' ny fandray vovobony ny vovobony avy amin' ny ny totsim-bovoka iray mba hahatonga ny fandonahana. Misy ny fandonahan-tena ao amin' ny voninkazo izay mihamatoy miaraka ny lahimbony sy ny singam-bavimbony, ary apetraka mba hahafahan' ny vovobony hipetraka eo amin' ny fandray vovobony. Izany dia tsy mitaky ezaka avy amin' ny zavamaniry mba hamokatra mamimbony sy vovobony ho sakafon' ny mpamindra vovobony. Mamokatra diaspôra tsy misy fitsaihana (partenôkarpia) ny voninkazo sasany. Aorian' ny fitsaihana dia mivoatra ho voankazo misy vihy ny fihary atodinaina amin' ny voninkazo.

Nanintona ny sain’ ny olombelona hatry ny ela ny voninkazo noho ny hatsarany sy ny hanitra mahafinaritra ananany, ka nampiasaina sy nambolena ho haingo (fehi-boninkazo), haingon-trano anatiny (voninkazo notapahana, fehezam-boninkazo, sns) sy haingon-trano ivelany (zaridaina, soriboly, sns.). Ampiasaina amin' ny fanamboarana ranomanitra noho ny fofony, sy amin' ny fandokoana noho ny fandoko ao aminy ny voninkazo. Ampiasaina amin' ny fanomanana zava-pisotro sy laoka ny voninkazo azo hanina. Loharano ahazoana fanafody koa ny voninkazo. Matetika ny voninkazo dia nanome aingam-panahy ny mpanakanto, ny mpanao hosodoko, ny pôety, ny mpanao sary sokitra ary ny mpanaingo trano. Nanana toerana sy dikany miovaova ny voninkazo ao amin' ny kolontsaina sy ny zavakanto arakaraka ny sivilizasiôna; nolavina na natao tsinontsinona ny voninkazo tamin' ny fotoana sasany, toy ny tamin' ny taonjato kristiana voalohandohany, nefa tena sarobidy tamin' ny fotoana hafa. Manana ny lanjany amin' ny fivavahana sy ny fombafomba, na amin' ny fananany hevitra an' ohatra ny voninkazo.

Jereo koa

hanova