Andriamanitra ao amin' ny hindoisma

Ny finoana ny andriamanitra ao amin' ny hindoisma dia miovaova arakaraka ny firehana sy ny sampana hita ao aminy. Amin' ny maha sady fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiaina ny hindoisma dia isan-karazany ny fomba finoana ny andriamanitra: ao ny henôtheisma, mônôteisma, pôliteisma, panenteisma, panteisma, pandeisma, mônisma, agnôstisisma, ateisma sns. Ireto ny andriamanitra malaza ao amin' ny hindoisma: Brahma, Vishnu, Shiva, Shakti, Durgâ, Surya, Ganesh ary Kartikeya.

Andriamanitra hindo hanova

Brahma hanova

I Brahma dia andriamanitra mpahary, izy no andriamanitra voalohany ao amin' ny trinite hindo (atao hoe trimurti). Ny andriamanitra roa hafa ao amin' io trinite io dia i Vishnu sy i Shiva. Tsindrandray ihany i Brahma no mandray anjara na ao amin' ny raharahan' ireo andriamanitra maro na amin' ny raharahan' olombelona.

Shiva hanova

I Shiva dia andriamanitra fahatelo ao amin' ny trinite hindo. Indraindray dia heverina fa i Shiva no andriamanitry ny iôga (yoga), izay manana ny fahalalana ny zava-drehetra. Manana anjara asa dimy lehibe ity andriamanitra ity: mpamorona, mpitahiry, mpanova, mpanafina ary mpanambara (amin' ny alalan' ny fitahiana).

Vishnu hanova

I Vishnu dia andriamanitra fahatelo manaraka an' i Brahma sy i Shiva ao amin' ny trinite hindo. Fantatra amin' ny alalan' ny endri-pisehoany maro i Vishnu. Izy no andriamani-dehibe ao amin' ny visnoisma. I Vishnu dia matetika aseho amin' ny alalan' ny olona miloko manga manao fitafiana sy fihaingoa-mpanjaka sady manana tanana miisa efatra.

Shakti hanova

I Shakti dia andriamanibavy vadin' i Indra, ilay andriamanitry ny paradisa-tontolo (Ioka). Matetika izy no akambana amin' i Shiva, ilay angovo lahy, fa izy kosa no angovo vavy, foto-javatra miasa sy miseho ivelan' ny andriamanitra lahy.

Durgâ hanova

I Durgâ dia iray amin' ireo endrika lehiben' ny andriamanitra reny atao hoe Devi. Andriamanitry ny fiarovana, ny hery, ny maha-reny, ny fandravana sy ny ady izy. Ny fedrà momba azy dia mitantara ny adiny amin' ny herin-demony izay nanimba ny fandriampahalemana, ny firoboroboan' ny fiharian-karena, ny ny dharma izay herin' ny tsara mandresy ny ratsy. Inoana ho nanampatra ny hatezerany amin' ny ratsy fanahy i Durga mba hanafahana ireo voageja, ka niteraka fandravana hanamafisany ny famoronana izany.

Surya hanova

I Surya no andriamanitra masoandro, zanak' i Āditi sy i Kashyapa. Manana vady efatra izy: i Samjnâ ("fahalalana"), i Râjnî ("fiandrianana"), i Prabhâ ("fahazavana") Châyâ ("aloka"). Izy no rain' i Manu, ilay olombelona voalohany sady mpamorona lalàna ho an' ny olombelona. Rain' i Yama andriamanitry ny fahafatesana izy, sady rain' i Yamî koa, izay nanjary renirano (ny renirano Yamunâ, iray amin' ireo renirano telo masina indrindra ao amin' ny hindoisma) taorian' ny fahafatesany.

Ganesh hanova

I Ganesh no andriamanitra izay nanafoana ny sakana rehetra, andriamanitry ny fahendrena, ny faranitan-tsaina, ny fanabeazana, ny fahamalinana, mpiahy ny sekoly sy ny mpiasan' ny fahalalana. Aseho amin' ny fananany lohan' elefanta izy, izy no andriamanitra tompoina indrindra ao India. ary ny hasiny dia mahenika ny Zana-kontinenta Indiana sy Azia amin' ny ankapobeny. Zanaka lahin' i Shiva sy i Pârvatî izy, vadiny i Siddhi ("fahombiazana") sy i Buddhi ("saina") ary i Riddhî ("harena").

Kartikeya hanova

I Kartikeya na Skanda dia andriamanitry ny tafiky ny andriamanitra. I Devasena no andriamanibavy vadiny. Zanak' i Shiva sy i Pârvatî izy. Vanto-jaza mandrakizay (kumâra) izy ka itsaohana nandritra ny Empira Gupta (taonjato faha-3 hatramin' ny faha-6) izy tao India Avaratra izay nanao azy ho andriamanitra mpiaro ireo Chalukya (dinastia tamin' ny taonjato faha-6 ka hatramin' ny faha-12).

Jereo koa hanova