Ny visnoisma na vaisnavisma dia firehan' ny hindoisma miorina amin' ny rafitra ara-pilôzôfia sy ara-pivavahan' ny Vedanta. Ny andriamanitra Vishnu no andriamanitra fara tampony ivavahany, izay miseho vatana amin' ny alalan' i Krishna sy i Rāma. Ny visnoisma dia iray amin' ny firehana lehine ao amin' ny hindoisma (ahitana ny sivaisma sy ny saktisma ary ny smartisma). Atao hoe Visnoita na Vaisnava ny mpanaraka ny visnoisma. Maro ny sampan' ny visnoisma. Ny Bhagavad-Gita, ny Bhagavata-Purana, ny Vishnu-Purana ary ny Bhakti-Sutra maro no lahatsoratra fototra ao amin' ny visnoisma.

I Vishnu mipetraka ambony voninkazo
Mpino vaisnava

Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia ny visnoisma no sampana lehibe indrindra ao amin' ny hindoisma, izay ahitana mpino miisa 641 tapitrisa any ho any, izany hoe ny 67,6 %n' ny Hindo rehetra[1].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Johnson, Todd M; Grim, Brian J (2013). The World's Religions in Figures: An Introduction to International Religious Demography. John Wiley & Sons. p. 400. ISBN 978-1-118-32303-8.