Andriandahifotsy
Andriandahifotsy dia mpanjaka sakalava tao amin' ny tarana-mpanjaka maroseraña, izay nanjaka tamin' ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-17. Andriandahifotsy no nandimby an' Andriamisara rainy ary tamin' ny alalan' ny fandreseny dia nanitatra haingana ny fahefany tamin' ny morontsiraka andrefan' i Madagasikara hatrany Manambolo izy. Nanandrana hampiray an' i Madagasikara ho eo ambany fanapahany izy, nefa tsy nahomby. Tamin' izay fotoana izay ihany koa dia nikasa ny hamindra ny renivohiny ho any Bengy ao amin' ny lohasahan' i Mangoky izy, ka nanorina ny Fanjakan' i Menabe. Taorian' ny nahafatesany dia ny zanany roa lahy Andriamanetiarivo sy Andriamandisoarivo no nandova azy ka izy ireo no nanitatra ny fahefan' ny Sakalava hatrany avaratra, tamin' ny nananganana ny Fanjakan' i Boina.
Lisitry ny mpanjakan' i Menabe
hanova- Andriamisara
- Andriandahifotsy (taonjato faha-17)
- Andriamanetriarivo (1685 - 1710)
- Andriamananety
- Ranaimo na Andriandrainarivo (nanjaka 1718-1727)
- Andrianamboatsimarofy (1774 - 1794)
- Ratrimolahy
- Andriantsoarivo
- Ramitraho (1812 - 1834)
- Rainasa