Ny orana dia rano milatsaka avy amin'ny rahona eny aminy habakabaka, eto an-tany, ny orana dia vokatry ny fiandon'ny evoky ny rahona rehefa mihamangatsiaka ny andro. Ny orana no loharano voalohany ho an'ny ankabeazan'ny tany, satria manome toetra tsara ipetrahan'ny zava-misy sy ny zava-manan'aina (biby sy zava-maniry). Saingy miverina any an-dranomasina avokoa ny 80 isan-jaton'ny orana latsaka. Ho an'ny orana tsy milatsaka eny an-dranomasina dia misy zava-mitranga tenenina hoe « virga » amin'ny teny anglisy, ny virga dia orana tsy milatsaka amin'ny tany fa orana lasa evoka alohan'ny fahatongavany eto an-tany. Any amin'ny tany mafana no tena misy izany fisehoana izany. Misy karazany ny orana: ny erika izay orana madinika mifafy amin'ny vanin-taona mangatsiaka (ririnina); ny orapiso izay orana kely tsy mahalena tany na tsy nanorika; ny orambaratra, orana mivatravatra avy amin'ny vanin-taona mafana na fotoam-pahavaratra, ny orambatravatra izay orana manila fihavy ny lohataona.

orana latsaka any an-dalana. Kolkata (India)

Raha mivaingana ny rano milatsaka avy eny amin'ny habakabaka dia atao hoe havandra na oram-panala.

Jereo koaHanova

 

Hijery « orana » any amin'ny Wikibolana.

Rohy ivelanyHanova

Miteny frantsayHanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.