Ny paiso dia zavamaniry mihintsan-dravina sady fihinam-boa. Avy any Sina eo anelanelan' ny lempona Tarim sy ny ilany avaratry ny Tendrombohitra Kunlun, ny paiso, nefa ankehiriny dia volena manerana izao tontolo izao, indrindra any amin' ny faritra manana toerany antonony mafana sy toetany ambanin' ny zana-pehin-tany. Ny anaran' ny paiso ara-tsiansa dia Prunus persica.

Foto-paiso

Toetoetran' ny paiso hanova

Ny hazo paiso hanova

Antonony ny haavon' ny paiso izay mahatratra 2 m hatramin' ny 7 m sady lalim-paka no haingam-pitombo ny paiso. Tsy maharitra ny fahaveloman' ny paiso ka fara-fahelany dia eo amin' ny telompolo taona.

Ny vonim-paiso hanova

 
Vonim-paiso

Mavokely ny lokon' ny vonim-paiso izay miseho alohan' ny raviny amin' ny fiafaran' ny ririnina na amin'ny fiandohan' ny lohataona (na amin' ny fahavaratra koa aza. ho an' ireo karazam-paiso tara faniry. Ny vonim-paiso dia mitondra vavim-bony sy lahim-bony, misy felana dimy.

Ny voany hanova

 
Voam-paiso

Voankazo boribory, nofosana sy mamy ary be ranony ny voam-paiso rehefa masaka.

Ny ravim-paiso hanova

 

Zavamaniry manintsan-dravina ny paiso. Lavalava ravina ny paiso ka mirefy eo anelanelan' ny 8 sm sy 15 sm izany ravina izany sady manana sakany mirefy 2 sm hatramin' ny 3 sm.

Ny karazana paiso hanova

Mahatratra 300 any ho any ny karazana paiso, ka ny voan' ny sasany misy hodiny voloina miloko mavo na fotsy sady misy vihy tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany voloina ihany koa nefa miraikitra amin' ny hodiny ny vihiny, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny tsy miraikitra amin' ny nofony, ny voan' ny sasany malama hoditra sy misy vihiny miraikitra amin' ny nofony.

Famokarana paiso hanova

Ny paiso volena dia efa azo akana voany rehefa feno fito hatramin' ny sivy taona. Ny fivarotana paiso voatahiry dia misahana toerana lehibe amin' ny raharaham-barotra. Tamin' ny tenantenan' ny taona 1980 dia mihoatra ny 445 000 taonina isan-taona ny paiso notehirizina tany Etazonia fa ny totaliny maneran-tany dia nahatratra 5 500 000 taonina. I Etazonia sy Italia no firenena mpamokatra sy mpanondrana paiso betsaka indrindra maneran-tany. Isan' ny mpanondrana paiso koa i Grisia sy i Frantsa.

Jereo koa hanova