Ôrga
Ny ôrga dia zavamaneno mandeha amin' ny rivotra izay miavaka noho izy mamoaka feo amin' ny alalan' ny fantsom-peo (sahala amin' ny sodina) tsofin' ny fitaovana mpitsoka rivotra, ary mamoaka feo amin' ny haavo sy loko tsy manam-paharoa ny fantsona tsirairay ao aminy. Ampanenoina amin' ny fampiasana andalan-kitendry (na klavie) iray na maromaro ny ôrga, izay matetika ahitana andalan-kitendrin-tongotra koa.
Matetika vita amin' ny metaly (tsaman' ny firapotsy sy ny firamainty no matetika indrindra, fa misy koa ny fanitso sy ny varahina) na amin' ny hazo (ôaka, hazokesika) ny fantsom-peo ao amin' ny ôrga, fa indraindray koa dia vita amin' ny akora hafa (fitaratra, volotsangana, taratasy matevina, plastika, bakoly). Satria mamoaka haavom-peo tokana ny fantsom-peo tsirairay, voatsinjara anaty vondrona antsoina hoe andiam-pantsona ny fantsona rehetra, ka manana loko sy hamafim-peo iraisana ny andiana tsirairay. Ny ankamaroan' ny ôrga dia misy andiam-pantsona izay samy manana ny hahavony sy ny lokony ary ny hamafiny izay azon' ny mpitendry ampiasaina mitokana na miaraka, amin' ny alalan' ny fampiasana bokotra fibaikoana.
Misy karazany roa lehibe ny fantson' ôrga raha ny fomba fahazoana feo no heverina. Voalohany ny fantsona mana-molotra (tsy misy zavatra mipararetra afa-tsy ny rivotra ao anatiny, sahala amin' ny vavan' ny kiririoka na ny an' ny sodina). Mmoaka karazam-peo nomena anarana hoe "Sodina" (satria maneno toy ny sodina) sy "Diapazôna" (feo mampiavaka ny ôrga manokana, tsy maka tahaka feon-javamaneno hafa) ary "Lokanga" (satria maka tahaka ny feon' ny lokanga na ny an' ny andian-dokanga) ireo fatsona ireo.
Faharoa ny fantsona manan-dela izay misy lela metaly (tsy maintsy varahimavo) mipararetra toy ny an' ny angorodao na ny an' ny harmônia na ny zavamaneno maro hafa. Mamoaka karazam-peo nomena ny anarana hoe "Trompetra", "Klarinety", "Feon' Olombelona" ("Vox humana"), sns ireo fantsona ireo satria manakaiky ny feon' ireo zavamaneno ireo.
Manana andalan-kitendry iray na maromaro ho an' ny tanana (andalan-kitendrin-tanana) sy kitendry ho an' ny tongotra (andalan-kitendrin-tongotra) ny ôrga; baikoin' ny vodrom-bokotra fibaikoana manokana ny andalan-kitendry tsirairay. Mipetraka eo amin' ny tavan' ny ôrga ny andalan-kitendrin-tanana sy ny andalan-kitendrin-tongotra (eo ambany) ary ny bokotra fibaikoana.
Mitazona feo maharitra mandritra ny fotoana anindriana kitendry ny ôrga noho ny famatsian-drivotra tsy tapaka ao aminy, ka tsy toy ny pianô sy ny zavamaneno sasany izay manatsahatra avy hatrany ny feony aorian' ny fanidriana ny kitendry. Mety tsy manana afa-tsy fantsom-peo roa ambin' ny folo na efatra amby roapolo ary laharan-kitendrin-tanana iray ny ôrga farany kely; fa mety manana fantsona maherin' ny 33 000 sy laharan-kitendrin-tanana hatramin' ny fito kosa ny ôrga lehibe indrindra.
Apetraka any amin' ny trano fiangonana, any amin' ny sinagôga, trano fampisehoana, any amin' ny sekoly ary any amin' ny tranon' olon-tsotra ny ôrga. Ampiasaina amin' ny fampisehoana mozika klasika, mozika masina, mozika tsy ara-pivavahana ary mozikam-bahoaka ity karazan-javamaneno ity. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 dia nisy ôrga napetraka sy notendrena tao amin' ny trano fijerena fampisehoana mandritra ny fandefasana sarimihetsika tamin' ny vanim-potoana tsy mbola nampisy feo ny sarimihetsika.