Zanaka am-pielezana malagasy

Ny zanaka am-pielezana malagasy dia ny Malagasy monina any ivelan' i Madagasikara.

Malagasy any amin' ny faritra amorontsiraka maro no nampiasaina ho andevo tany amin' ny fanjakana tompomenakely tao afovoan-tany ary anisan' ny Afrikana voatafika hamelomana ny varotra andevo tao amin' ny tapany atsinanan' ny Empira Ômaney sy ny varotra andevo tany Atlantika tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19 izany[1]. Ny taranaky ny andevo malagasy dia hita any amin' ny Saikinosin' i Arabia, any Malezia, any Indônezia, manerana an' i Amerika ary indrindra any Però[2].

I Frantsa (indrindra any any Mayotte sy La Réunion) no firenena ahitana zanaka am-pielezana malagasy lehibe[3]. Tombanana ho 140 000 izany: io no vondrom-piarahamonina afrikanina lehibe indrindra avy aty amin' ny faritra atsimon' i Sahara any Frantsa[4].

Misy Malagasy monina koa i Kômôro (indrindra ao Mwali), i Afrika Atsimo, i Amerika Latina, ny faritra Karaiba ary i Etazonia. Ny Malagasy ampielezana any Etazonia dia misy taranaky ny olona tonga tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19[5], na andevo na olona afaka. Ny Amerikanina manana razambe malagasy, ankoatr' ireo voalaza teo aloha, dia mpifindra monina vao haingana avy eto Madagasikara.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Pierre Boiteau, Madagascar : contribution à l'histoire de la nation malgache, Éditions sociales, Paris 1958, 431 p., compte-rendu par Henri Brunschwig dans Annales : Economies, sociétés, civilisations 16ᵉ année, n° 4, 1961, pp. 824-826 [archive]).
  2. Maidei Magirosa, "Strong African presence in Perue" [archive], the Patriot, 26 juin 2014
  3. Malagasy expatriates in France
  4. "Diaspora malgache: 1re communauté africaine en France après celles du Maghreb" [archive], Francetvinfo.fr, 15 janvier 2018
  5. Wendy Wilson-Fall on Malagasy Americans, Afropop.org