Ny Empira Ômaney na Empira Ômany dia empira an-dranomasina, niaraka tamin' i Pôrtogaly sy i Britaina Lehibe mba hanao raharaham-barotra sy hampihatra ny heriny any amin' ny Hoala Persika sy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana. Rehefa lasa mpandray anjara tao amin' ny faritra misy azy izy tamin' ny taonjato faha-18 dia tonga tamin' ny faratampon' ny tanjany tamin' ny taonjato faha-19 dia ary nampihatra ny heriny na ny fifehezany hatrany amin' ny Andilan-tanin' i Hormuz (ao amin' ny Hoala Persika) ka hatrany Iràna sy Pakistàna ankehitriny, ary hatrany atsimo any Cabo Delgado (eo anelanelan' i Môzambika sy i Tanzania). Taorian' ny nahafatesan' i Said bin Sultan tamin' ny taona 1856 dia nizara roa teo amin' ny zanany lahy ilay empira, ka ny tapany iray aty Afrika (ny Soltanatan' i Zanzibar) dia nofehezin' i Majid bin Said fa ny tapany any Azia (ny Soltanatan' i Muskat sy Oman) kosa dia nofehezin' i Thuwaini bin Said.

Ny fara fiitaran' ny Empiran' i Ômana tamin' ny taonjato faha-19. Voafetra any amin' ny morontsiraka ihany ny fahefany taty Afrika, tao amin' ny kolontsaina soahily.

Jereo koa hanova