I Venezia dia tanàna amorontsiraka any avaratra-atsinanana amin' i Italia, eo amoron' ny Ranomasina Adriatika. Izy io dia mivelatra amina nosy kely miisa 121 sarahan' ny tamba-jotran-dakandrano ary ampifandraisin' ny tetezana miisa 435. Amin' ny teny italiana izy dia atao hoe Venezia; amin' ny teny venetiana: Venesia na Venexia; amin' ny teny frantsay: Venise; amin' ny teny anglisy: Venice.

I Venezia

Eo afovoan' ny lagona veneta, eo anelanelan' ny vavan' i Po sy ny an' i Piave, dia malaza amin' ity toerana miavaka ity i Venezia ary koa amin' ny haitao sy ny lova ara-kolontsaina, izay nahazoany fanoratana ny anarany ao amin' ny UNESCO World Heritage.

I Venezia no renivohitry ny Faritr' i Veneto (Regione Veneto). Tamin' ny taona 2012 dia nisy mponina 269 810 ny kaominina, anisan' izany ny 58 666 tao anatin' ny mandan' ny tanàna (Centro storico). Ny 176 000 dia mipetraka eny amoron-drano (Terraferma), any amin' ny vakim-paritr' i Mestre sy Marghera (frazione) ny ankamaroany, ary ny mponina 31 000 sisa dia mipetraka any amin' ny nosy hafa ao amin' ilay lagona. Miaraka amin' i Padua sy i Treviso, i Venezia dia mamorona ny faritra metrôpôlitana Padua-Treviso-Venice (PATREVE), ahitana mponina 1 600 000 any ho any.

Naorin' ny mpitsoa-ponenana nandositra ny fanafihan' i Lômbarda fotoana fohy taorian' ny taona 568 ilay tanàna, renivohitry ny Repoblikan' i Venezia nandritra ny taonjato iraika ambin' ny folo, nanomboka tamin' ny taona 697 ka hatramin' ny 1797. Nandritra ny Andro Antenatenany sy ny Renaissance, ity tanàna ity dia hery an-dranomasina lehibe, tamin' ny fiandohan' ny Kroazada fahefatra ary nandresy tamin' ny ady tao Lepanto tamin' ny taona 1571 nanohitra ny Empira Ôtômana.

Noho ny fifandraisany amin' i Azia sy ny Afovoany Atsinanana natomboky ny mpivarotra sy mpikaroka tany vao Marco Polo, dia lasa iray amin' ireo foibe ara-barotra lehibe indrindra any Eorôpa koa izy, indrindra amin' ny landy sy ny voamadinika ary zava-manitra fanao sakafo. Farany, foibe ara-kolontsaina lehibe izy hatramin' ny taonjato faha-13 ka hatramin' ny faran' ny taonjato faha-17, ka ny mpanao hosodoko avy ao amin' ny Sekoly Venetiana (anisan' izany i Tiziano Vecellio sy i Paolo Veronese ary i Tintoretto), ny mpanoratra tantara an-tsehatra Carlo Goldoni ary ny mpamoron-kira Antonio Vivaldi no olona malaza indrindra avy ao.

Ny anarany dia avy amin' ny vahoaka nipetraka tany amin' ilay faritra talohan' ny taonjato faha-10, ny Veneta. Antsoina hoe Venetiae amin' ny teny latinina, indraindray antsoina hoe "Tanànan' ny Doges", "Serenissima", "Mpanjakavavin' i Adriatika", "Tanànan' ny Rano", "Tanànan' ny Sarontava", "Tanànan' ny Tetezana" na ny “Tanàna Mitsingevana”. Malaza amin' izao fotoana izao ilay tanàna amin' ny lakandranony - indrindra ny Canal Grande - sy ny gôndôla (lakana), ny fiangonana maro ao aminy, ny Piazza San Marco, ny Lapan' ny Doges, ny Ponte dei sospiri, ny Biennale ary ny karnavaly.

Toa an' i Bruges dia very ny asany ara-barotra, ka lasa iray amin' ireo manintona ny fizahan-tany manerantany, mametraka olana amin' ny fanatrehana sy ny resaka fizahan-tany maharitra, antsoina koa hoe "fizahan-tany tompon' andraikitra", toy ny tanàna hafa miatrika ny tranga miverimberina momba ny habetsahana rafahoatry ny fizahan-tany. Voaraeahona indroa i Venzaia, na noho ny fizahan-tany faobe na noho izy atahorana hilentika ka tamin' ny 31 Jolay 2023, ny Foiben' ny Lova Iraisam-pirenena dia nanoro hevitra ny hanoratana ilay tanàna ao amin' ny lisitry ny Lova Iraisam-pirenena tandindomin-doza.