Marco Polo
Ankapobeny
Anarana Marco Polo
Teraka 15 Septambra 1254
Maty 9 Janoary 1324
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

Marco Polo dia mpanao asa soratra sy mpivarotra venesiana (Italia ankehitriny), teraka tamin' ny 15 Septambra 1254 tao Venesia (frantsay: Venise) ary maty tamin' ny 9 Janoary 1324 tao Venezia. Nalaza izy tamin' ny diany tany Sina, izay notantarainy tao amin' ny boky mitondra ny lohateny hoe Il Milione (amin' ny teny italiana, midika ara-bakiteny hoe "Ny Tapitrisa").

Teo amin' ny faha-17 taonany izy dia niaraka tamin' i Niccolò rainy sy Matteo dadatoany ka nankany Azia, izay nanompoany, niaraka tamin' izy ireo, an' i Kublai Khan, emperora môngôly. Taorian' ny namitany iraka ôfisialy isan-karazany nandritra ny roapolo taona teo ho eo dia nanao niverina izy tamin' ny fotoana nanaovany iraka diplômatika.

Niverina tany Italia izy rehefa avy nandeha lavitra 24 taona, tamin’ ny taona 1295. Nandray anjara tamin' ny ady an-dranomasina teo amin’ i Venesia sy i Genova izy tamin' ny taona nanaraka, ka nentin' ny Genoà ho babo. Nandritra ny fanagadrana azy dia nanao sora-tononina tamin' ny mpiara-migadra iray aminy, atao hoe Rustichello avy any Pisa, ny mombamomba ny Fanjakan' i Kublai sy ny fanjakana any Atsinanana izy. Nisy fanovana sy dikan-teny maro io sora-tanana io, ka sarotra ny mamerina indray ny tena izy tany am-boalohany. Toa tamin' ny teny frankô-venetiana anefa no nanoratana azy io voalohany, teny vokatry ny fifangaroan' ny teny frantsay miaraka amin' ny fandrafetam-pehezanteny sy fandrafetan-teny mampiavaka ny fitenim-paritra italiana avaratra (teo anelanelan' ny taonjato faha-13 sy faha-15).

Tsy i Marco Polo no Eorôpeana voalohany nitsidika ny lapan' ny emperora môngôly, sady izy no voalohany nilazalaza ny zava-misy any amin' ny Sinoa, anisan' isany ny vola taratasy. Izy koa no namaritra ny trano fivavahana any Tibet ary nilaza ny fisian' i Japàna (Cipango), izay tsy nisy nahafantatra talohan' izay. Nanentana an' i Cristoforo Colombo sy ny mpandeha lavitra hafa ny fitantatrany. Ny Sarin-tany Katalàna sy ny Sarin-tany nataon' i Fra Mauro dia mifototra amin' ny ampahany amin' ny fitantaran' i Marco Polo.

Nanambady i Marco Polo, rain' ny zazavavy telo, maty tamin' ny taona 1324 izy ary nalevina tao amin' ny fiangonan' i San Lorenzo any Venetia.

Ny fiainany manokana hanova

I Niccolò Polo no rainy.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.