Fiteny foinikiana

(tonga teto avy amin'ny Teny fenisiana)

Ny fiteny fenisiana na fiteny foinikiana na fiteny foenikiana dia fiteny tao amin' ny morontsirak' i Libàna, ao amin' ny faritra atao hoe "tanin' i Kanaana" na "tany Kanaana" (araka ny fiantsoan' ny Fenisiana sy ny Arabo sy ny Hebreo ary ny Arameana), na Fenisia na Foinikia na Foenikia (araka ny fiantsoan' ny Grika sy ny Roômana), na Pūt amin' ny fiteny egiptiana taloha. Ny fiteny fenisiana dia fiteny semitika ao amin' ny zana-bondron' ny fiteny kananeana, dia vondrona nipoiran' ny fiteny hebreo. Ny fiteny fenisiana dia notenenina tao Libàna, tamin' ny morontsirak' i Siria, tao Palestina, tao amin' ny tapany avaratr' i Israely ankehitriny, ary tao amin' ny ampahan' ny nosy Kiprôsy (ka nifanakaiky amin' ny fiteny grika izy tao). Niteny fenisiana koa ny faritra sasany tany Anatôlia (Azia Minora) noho izy fiteny manan-kaja. Niteny fenisiana koa ny faritra voakasiky ny fanjanahan-tany fenisiana: ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Mediteranea, ary indrindra ny tao Tonizia ankehitriny, ny tao Marôka, ny tao Malta, ny tapany andrefan' i Sicilia, ny ao Sardinia, ny tao Kôrsa, ny tao amin' ny Andrin' i Heraklesy.

Fielezan' ny fiteny foinikiana

Ny fiteny fenisiana dia nosoratana tamin' ny abidy fenisiana. Ny fiteny fenisiana dia fantatra noho ny soratra vitsivitsy, noho ny fitenenana raikitra momba ny fivavahana na ny fitantanan-draharaham-panjakana, sy noho ny rakibolana tsotra amin' ny fiteny roa nataon' ny mpanoratra grika na latina.

Jereo koa hanova

Fiteny kanaanita: