Kaledônia-Vaovao

(tonga teto avy amin'ny Nouvelle-Calédonie)

I Kaledônia-Vaovao na Nouvelle-Calédonie dia nosy maomaro sy tagoro-nosy frantsay any Ôseania, any amin' ny Ranomasina Corail sy ny tapany atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika. Ity vondrona ity dia anisan' i Melanezia sy i Ôseania Lavitra. Ny velarany manontolo dia mirefy 18 575,5 km2. Ny nosy lehibe dia i Grande Terre, 400 km ny lavany ary 64 km ny sakany lehibe indrindra.

Sainan' i Nouvelle-Calédonie
Toerana misy an' i Nouvelle-Calédonie
Mpiady kanàka

Teo ambanin' ny fiandrianan' ny Frantsay i Nouvelle-Calédonie nanomboka tamin' ny taona 1853. Araka izany, io fizaran-tany io dia manana ny satan' ny "collectivité sui generis" frantsay. Amin' izao fotoana izao izy dia manana fizakan-tena matanjaka sy zo hanapa-kevitra samirery, taorian' ny fanafoanana ny fanjanahantany tany am-boalohany sy ny fananganana ny hoavy iraisan' ny tompontany sy ny Kanàka ary ny vondrom-piarahamonina maro hafa ao amin' ilay vondronosy, izay manam-piaviana samihafa (eorôpeana, fantatra amin' ny anarana hoe "Caldoche", aziatika, pôlineziana, sns.).

Ny renivohiny dia i Nouméa, kaominina lehibe sady ny hany tanàna lehibe ao amin' ilay vondronosy. Ny isan' ny mponiny dia 94 285 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2019. I Grand Nouméa (miaraka amin' ny kaominina manodidina an' i Païta sy i Dumbéa ary i Mont-Dore) dia misy mponina 182 341, izany hoe roa ampahatelon' ny mponina izay miisa 271 407 eo ho eo.

Sarintanin' i Nouvelle-Calédonie

Manana mari-pamantarana manokana izy io, miaraka amin' ny fanevam-pirenena frantsay (hiram-pirenena sy teny filamatra ary sarisary sy soratra manokana amin' ny vola taratasy). Iiadian-kevitra anefa ny momba ny sainam-pireneny sy ny anarany anefa, ny mpandala fahazoana fahaleovantena amin' ny ankapobeny dia mampiasa ny anarana hoe "Kanaky" (manondro ny vahoaka kanàka) ary nanana ny sainany manokana nanomboka tamin' ny taona 1984, safidy roa nolavin' ny tsy mpandala ny fahazoana fahaleovantena amin' ny ankapobeny, izay mety hiaro hevitra isan-karazana (tsy fialana amin' ny toerana efa misy, fikambanan' ny mpitaky fahaleovantena miaraka amin' ny any Frantsa, na famoronana marika vaovao iraisan' ny vondrom-piarahamonina rehetra monina ao amin' ilay vondronosy).