Fitaovana (biôlôjia)
Ny fitaovana, ao amin' ny anatômia, dia fitambarana taova izay manana fiasa mifananampy amin' ny fanatanterahana asa sarotra iray.
Tokony hvahana ny hoe fitaovana sy ny hoe rafitra: ny fitaovana dia ahitana taova voafaritra tsara, fa ny rafitra dia mety ahitana firafitra tsy voafaritra tsara sy miparitaka manerana ny vatana (toy ny fitatitra ao amin' ny rafi-pitatitra, izay tsy azo sarahina amin' ny taova, na ny sela mandehandeha ao amin' ny rafi-kery fiarovana).