I James Cook, teraka tamin'ny 27 Oktobra 1728 any Marton, maty tamin'ny 14 Febroary 1779 tany Hawaii, dia mpitondra sambo, mpizaha-tany, ary mpanao saritany britanika.

Ny Kapteny James Cook sy ny soniany

Tamin'izy lasa kapiteny tao amin'ny Royal Navy, nandehandeha tao amin'ny Ranomasimbe Pasifika izy ary vokatr' izany, izy no Eoropeana voalohany tonga teo amin'ny morontsiraka atsinanan' i Aostralia. Izy koa no tonga tany Nouvelle-Calédonie, tany amin'ny Nosy Sandwich ary tany Hawaii. Izy ihany koa no olona voalohany indrindra nanao sarintanin'i Terre-Neuve sy i New-Zealande.

Dia hanova

Dia voalohany, tamin'ny 1768-1771 hanova

Tamin'ny 1768, ny Royal Society dia naniraka i James Cook hizahana ny Ranomasimbe Pasifika atsimo amin'ny alalan'ny sambo HMB Endravour, ny tanjony tamin'io dia ny hijery ny fiampitana misy amin'ny fajiry Venosy amin'ny 3 Jiona 1769 ary hijery raha misy kontinenta any atsimon'izao tontolo izao, fa io kontinenta io dia tsy hitan'i James Cook. Tsy nino ny fisiany mihitsy izy ary tao anatin'ny diariny, manadiady ny fizahany sy fizahana nialoha azy izy.

 
Ny dia voalohany

Ny Endeavour hanova

Ny sambo nentiny, i Endeavour dia sambo telo salaza mitovy amin'ny sambo efa nentin'i Cook, sambo mateza sy tsara amin'ny lafiny fitehirizana sy amin'ny "tirant d'eau" ananany tombon-tsoa ilaina mba hanakaiky ny morontsiraky ny nosy be harandriaka ao amin'i Pasifika. Tamin'izy nandalo ny Cap Horn, tonga tany Tahiti izy tamin'ny 13 Aprily 1769, nasainy namboarina tany Tahiti ny rova handinihany ny transit an'ny Venosy.

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.