Nazôreana
Ny anarana hoe Nazôreana na Nazareana na Nazarena dia manondro vondrona ara-pivavahana jiosy kristiana samihafa.
Nazôreana tamin' ny taonjato voalohany
hanovaNy Nazôreana na Nazareana dia vondrona ara-pivavanana jodeô-kristiana tsy dia fantatra loatra, izay fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany. Ity vondrona ity dia manaiky an' i Jesoa ho Mesia nefa manaja ny lalàm-pivavahan' ny Jiosy. Tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa anefa izy ireo. Atao hoe Ναζωραῖος / Nazôraios izy ireo amin' ny teny grika fa נוצרים / Notzrim amin' ny teny hebreo.
Nazôreana tamin' ny taonjato fahefatra
hanovaTaty aoriana dia niantsoana antoko na sekta jodeô-kristiana niaina tamin' ny taonjato faha-4 izay nitandrina fatratra ny Lalàn' i Mosesy sy nino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ny anarana hoe Nazareana na Nazôreana. Tsy nanaiky ny Epistilin' i Paoly izay mampianatra ny tsy tokony hitandremana ny Lalàna jiosy izy ireo.
Jereo koa
hanovaAntoko sy firehana matanjaka tao amin' ny jodaisma
- Sadoseo na Sadoseanina - Fariseo na Farizianina - Eseniana - Filôzôfia Fahefatra
Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma
Samihafa