Andry dimin' ny finoana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Zavatra tsy manitsy tanterahin’ny mpino silamo
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 7 Oktobra 2020 à 18:12

Ny andry dimin’ny finoana silamo dia adidy miisa dimy izay tsy manitsy tanterahin’ny mpino silamo. Atao hoe arkan izany amin’ny teny arabo. Ireto avy izy ireo: 1. Manonona ny fiekem-pinoana na shahada; 2. Manatateraka ireo vavaka dimy fanao isan’andro (salat) izay ialohavan’ny fidiovana (ablution) ; 3. Mifady hania amin’ny volana Ramadany (sawm) ; 4. Manao asa fiantrana (zakat); 5. Manatanteraka fivahiniana masina (hadj) any amin’ny tanàna masin’i Maka, amin’ny fotoana maha afaka ara-batana sy ara-bola ny mpino.

Amin’ny ankamaroan’ny firenena silamo dia tsy voasazy ny mpino raha tsy mahatateraka manontolo ireo zavatra dimy tsy maintsy atao ireo. Nefa amin’ny firenena na fanjakana sasany, ny fandavana ampahibemaso ny maha manan-danja na ny maha zava-dehibe ireo andry dimy ireo dia heverina ho fandavana ny finoana ka mahavoaheloka ho faty.  

Ny fiekem-pinoana na Shahâda

Ny andry voalohan’ny finoana silamo dia ny fiekem-pinoana izay atao hoe Shahâda: “La ilaha illa Allah, Mohammadour rasoulou Allah” (“Tsy misy andriamanitra afa-tsy i Allah ary i Mohamady no Irany”. Izany fiekem-pinoana izany, izay ambara rehefa miova ho amin’ny fioana silamo ny tena na tononina farany eo am-pialana aina, dia tokony ataon’ny Miozolmàna rehetra ampahibemaso fara-fahavitsiny indray madeha ao amin’ny androm-pianany. Ny fanonona ny shahada dia tsy fanamnatàna fotsiny ny maha Miozolmàna, indrindra amin’ny fotoana iovana ho mozolmàna, fa maneho koa mpahany amin’ny fiantsoana hivavaka (Adhân).

Manana fanambaràm-pinoana maro somary sarotsarotra koko, izay niseho taty aorina, ny finoana silamo,. Ankoatr’izany dia tsy misy ny fanambaràm-pinoana tokana filamara izay manam-pahefana satria tsy misy vondrona teny finoana (dôgma) tokana ayao filamatra ny ao amin’io fivavahana io. Ny Siita amin’ny ankapobeny, ohatra, dia manampy ny fehezanteny hoe “wa Ali Wali Allah” (izay midika hoe “ary i Ali Ibn Abi Talib dia sakaizan’i Allah”).

Tononina eo an-tsofin'ny zaza vao teraka koa ny Shahâda ary ny olona efa ho faty dia tokony hanonona azy alohan'ny hialany aina. Isan'ny atao hoe Adhân (arabo: أَذَان "antso") izay ataon'ny Mu'adhdhin (arabo: مؤذّن "mpiantso") izy, dia ilay fiantsoana ny mpino atao eny amin'ny mi'dhana ("tilikambo fiantsoana") mba ho tonga hivavaka.

Ny vavaka na Salat

Ny vavaka na Salat no andry faharoa ao amin’ny finoana silamo. Atao hoe namaz koa izany any Iràna, any India ary any Torkia. Ny vavaka no ahafahan’ny mpino silamo manambara tsy misy mpanelanelana ny fitsaohany an’ Andriamanitra. Isan’andro dia tokony manatanteraka ireo vavaka dimy tsy maintsy atao ny mpino. Tsy atao anefa izy ireo raha tsy efa vita ny fombafomba fidiovana ary misy filaharana tsy maintsy arahina amin’ny fizarazaràn’ny andro voafaritra mazava tsara:

  • alohan’ny hiposahan’ny masoandro (Al-fajr),
  • amin’ny mitataovovonana (Al-dhouhr),
  • eo antenantena’ny tolakandro (Al-asr),
  • vantany vao milentika ny masoandro (Al-maghrib)
  • alohan’ny misasakalina (Al-icha).

Ny Siita dia mamela malalaka ny fanambarana ny vavaka tokony atao amin’ny mitataovovonana sy ny tolakandro, toraka izany koa ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy ny misasakalina, ka afaka mivavaka in-telo fotsiny isan’andro izy ireo. Na aiza na aiza no anaovana ny vavaka dia tsy maintsy misy fomba fitoetra atao miaraka aminy, dia ny mitsangana mitodina mankany amin’ny Kaaba sy miondrika ary mandohalika araka ny fombafomba voafaritra mazava tsara.

Ny fiantrana ny tsy manana na Zakat

Andry fahatelo ny fiantrana ny tsy manana, izay atao hoe Zakat (midika hoe “fanadovana”) izay ahafahana manadio ny harena azon’ny mpino sady miaro azy amin’ny fitiavam-bola tafahoatra, amin’ny fitsiriritana ary ny faniriana tafahoatra. Izany fiatrana izany dia azo alaina isan-taona amin’ny vokatry ny fambolena na ny fiompiana na ny vato saro-bidy na ny vola, dia amin’ireo izay  manana harena mihoatra ny ampy tokony hahafahany mivelona soa aman-tsara ary izay tsy manana trosa mihoatra ny eo am-pelan-tanany. Amin’ny ankamaroan’ireo firenena miozolmana dia lasa asa fiantrana an-tsitrapo ny zakat ho an’ny mahantra, sady ho an’ireo vao avy niova ho amin’ny finoana silamo sy ho an’ireo bokan-trosa sns.

Nanomboka tamin’ny fiafaran’ny Andro Antenantenany dia nampanangona hetra tamin’ny alakan’ireo mpahay lalanany ireo Siita natanjaka sy nanjaka, amin’ny maha solon-tenan’ny imam azy ireo.  

Ny fifadian-kanina na Sawm

Andry fahefatra ao amin’ny finoana silamo ny fifadian-kanina, izay atao hoe Sawm. Voasoratra ao amin’ny Kor'any izany ao amin’ny Soràta 2.183. Mandritra ny volana Ramadany no tsy maintsy anaovana izany ka ireo Miozolmana olon-dehibe sy salama tsara no didiana hanao azy. Manombola amin’ny magiran-dratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro dia tsy azon’ny mpifady hania atao ny misotro zavapisotro sy ny mihinana sakafo ary ny manao firaisana amin'ny vady. Ny marary sy ny vehivavy mampinono dia tsy terena hifady hanina nefa asaina mifady hanina hanonitra izany amn’ny fotoana hoavy.

Ny fivahiniana masina mankany Maka na Hadj

Andry fahadimy ao amin’ny finoana silamo ny fivahiniana masina, izay atao hoe Hadj. Ny Hadj no manan-danja indrindra amin’ireo fivahiniana masina roa mankany Maka. Ny lehilahy sy ny vehivavy miozolmana salama tsara rehetra dia tokony hanao fivahiniana masina indray mandeha amin’ny fotoana ahavelomany, raha tahiny ka ampy ny hoenti-manana ara-bola hiatrehana izany. Tsy mitovy amin’ny “fivahiniana masina kely” any Maka, izay atao hoe Umra, ny Hadj izay azo atao amin’ny fotona sasany voafatritra mazava: amin’ny volana fahafolo no manomboka ireo lanonana isam-batanolona voalohany, izay andehanana impito manodidina ny Kaaba sy impito eo anelanelan’ny tendrombohitra Safa sy ny tendrombohitra Marwa; avy eo; eo anelanelan’ny andro faha-9 sy fgaha-12 amin’ny volana faha-12 (volana dhul al-Hijja), ny lanonana iarahan’ny besinimaro izay ivorian’ny mpanao fivahinina masina rehetra, ao amin’ny lohasaha manatrika ny tendrombohitra Mina tsy lavitra an’i Maka, izay naovana sorona biby fiompy. Ireo izay manatanteraka ny Hadj dia afaka mametraka ny anaram-boninahitra hoe “Hadj” eo alohan’ny anarany.