Izaho dia nanomboka nandray anjara ato amin'ny Wikipedia malagasy tamin'ny 02 Septambra 2017. Malagasy aho sady mampiasa ny teny malagasy. Ny teny malagasy no nosafidiko hanoratana betsaka satria io teny io no azo ampitana fahalalana ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy.

Liana amin'ny zavatra momba :

- ny siansa,
- ny finoana sy ny fivavahana,
- ny filozofia,
- ary ny tanàna eto Madagasikara sy any ivelany.

Tenim-pirenena:

- afaka manoratra amin'ny teny frantsay sy anglisy koa,
- afaka manovo hevitra amin'ny teny espaniola,
- afaka mamaky teny latina sy grika.
- liana amin'ny teny hebreo.

Afaka mandray soso-kevitra sy miady hevitra ary mila namana ihany koa amin'ny fanatsarana ny pejy nosoratako. Afaka manampy ny mpandray anjara hafa koa raha ilaina. Afaka ampamoronina pejy vaovao raha misy mila ny hamoronana izany arakaraka ny fotoana ananako.

Mirary ny Wikipedia malagasy mba hiroborobo hatrany.