Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka

Andrianarahinjaka Lucien Xavier Michel dia mpanoratra sy mpampianatra eny amin' ny oniversite ary mpanao pôlitika izay ben' ny tanàna malagasy voalohany tao antampotanànan' i Fianarantsoa sady efa filohan' ny Antenimieram-pirenena Entimbahoaka (na Assemblée Nationale Populaire) izy tamin' ny taona 1977 ka hatramin' ny 1991. Teraka tamin' ny 30 Desambra 1929 tao Fianarantsoa izy ary maty tamin' ny 11 Novambra 1997. Zanak' i Randria Michel Joseph izy. Nanam-bady ary nanan-janaka enina mianadahy izy. Mpampianatra nanana ny anaram-boninahitra "professeur titulaire" izy ary rehefa nisotro ronono dia nosalorana ny maha "professeur émerite" azy.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Mpanoratra sy resaka Madagasikara ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka
Ankapobeny
Anarana Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka
Teraka 30 Desambra 1929 tao Fianarantsoa, Fianarantsoa,  Madagasikara
Maty 11 novambra 1997
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena  Madagasikara
Asa : Mpanoratra tononkalo, kabary
  • Le système littéraire traditionnel betsileo
  • Terre promise
Taona niasana -
Fiainana manokana

Fianarana nataony

hanova
 
LXM Andrianarahinjaka

Ambaratonga fototra sy faharoa

hanova

Tamin' ny taona 1936 ka hatramin' ny 1948 tao Fianarantsoa izy no nianatra tao amin' ny Collège Saint Joseph Ambodisaha. Tamin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1952 izy dia nianatra tao Antananarivo.

Ambaratonga Ambony

hanova

Nitohy tamin' ny ambaratonga ambony ny fianarany ka tany amin' ny Faculté des Lettres tany Paris Sorbonne no niatombohany tamin' ny taona 1952. Nanombka nianatra tao amin' ny Oniversiten' Antananarivo tamin' ny taona 1963. Tamin' ny taona 1967 izy dia tany amin' ny Université de Bordeaux III nanomana ny Doctorat en lettres.

Fiarahamonina sy pôlitika

hanova

Traikefa maro no nananany teo amin' ny sehatry ny asa, indrindra amin' ny maha Professeur Titulaire azy. Namelombelona sy nitarika fikambanana maro izy teo amin' ny sehatra sôsialy, tanora sy sendikà ary ny maro hafa.

Teo amin' ny sehatra pôlitika koa tompon-kevitra tamin' ny fanorenana ny antoko Rassemblement Chretien de Madagascar (RCM) izy. Mpikambana mpanorina ihany koa ny antoko pôlitika AREMA izy. Ministre Conseiller de la Présidence, chargé de l'Information de l'Orientation Idéologique et des relations avec les institutions (1976-1977), solombavambahoaka tao amin' ny Fivondroanana Fianarantsoa II (1977-1991); filohan' ny Antenimieram-pirenena (1977-1991)[1].
Efa nitety firenena tsy latsaky ny folo noho ny andraikiny sy ny fahaizany izy ary tsy latsaky ny dimy ihany koa ny mari-boninahitra azony toy ny Commandeur de la Pléiade, avy tamin' ny Ordre de la Francophonie.

Asa soratra

hanova

Mpanoratra i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka. Amin' ny maha mpampianatra mpikaroka sy profesora azy dia maro ny tranom-pamokarana sy tranompanontam-boky sy gazety no niarahany niasa sy namoahany asa soatra sy fikarohana toy ny Présence Africaine, ny Radio Universitaire tao Antananarivo, ny Gazety Lumière, ny Lakroan' i Madagasikara, ny Fanilo, ny Samy isika, ny Tahiry sy remby. Nifantoka betsaka tamin' ny fivoizana ny mahaizy azy ny kolotsaina malagasy, indrindra ny an' ny faritra Betsileo ny asa soratra sy fikarohana nataony.

Fikarohana

hanova

Ny tena nampivaka an' i Lucien Xavier Andrianarahinjaka dia ny thèse de Doctorat d'État en lettres (1987) nampitondraina ny lohateny hoe « Le système littéraire traditionnel betsileo »[2]. Nanoratra sy nanangona ary namoaka amboaran-tonokalo maro izy tamina gazety sy gazetiboky ary boky toy ny:

  • Terre Promise (izay tena nalaza)[3];
  • Tononkalo tao amin' ny Nouvelle Somme de Poésie du monde Noir[4];
  • Ratsiafabahiny: tononkalo Betsileo[5];
  • Raony : fanadihadiana tononkalo betsileo;
  • Ramainty : fanadihadiana;
  • La poésie Tsimihety;
  • Le thème de l'amour dans la poésie betsileo.

Ny ampahany amin' ny asa soratra sy fanangonana ary fanadihadiana nataon' i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka anefa dia mbola tsy fantatry ny olona na koa mbola tsy navoaka. Raha isaina dia tsy latsaky ny 25 ny fikarohana sy fandalinana mahakasika ny literatiora malagasy nosoratan' i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka.

Literatiora Betsileo

hanova

Zava-dehibe ny asa soratra sy fikarohana notontosain' i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka. Nampivoitra indrindra ny literatiora am-bava betsileo izy ary nahitàna ny karazany sy ny sokajiny amin' izay kanto eo amin' ny literatiora nampiavaka azy izay. Tao ny:

Sokela

hanova

Toy izao ny vokatry ny fanadihadiana ny sokela izay notontosain' i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka ihany koa. Amin' ny maha literatiora ny sokela izay azo faritana amin' ny ankapobeny hoe "kabary betsileo", izay tena miavaka tokoa amin' ny hakantony, dia misy teboka dimy izay tena nosoritin' ity mpanoratra ity fa zava-dehibe eo amin’ny kanto ara literatiora na ny "style litteraire":

  1. Rindra (na principe d’ordre): "firindrana ny taroña raha tsa atoratoraka fa apetraka amin' ny rindrane"
  2. Endrika (na principe de convenance absolue): "ny taroña amin' ny fihengo vakana eko ny manendrika ro atao."
  3. Mifanaraka (na principe de convenance relative): "ny taroña toy ny vakana ka ny mety ro ampifanarahana."
  4. Fotony (na principe d'unité de fonds de base): "kabary 100 ko 1000 tarona fa 1 ro vahany"
  5. Refy (na principe de mesure): "tsy lava loatra, tsy fohy loatra"

“Ny tarona tsa hay atao lava; rehe lava hoe ny ahitsa very ny kisoa, ko rehe lava ny tarona very ny soa.”

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Assemblée Nationale Populaire
  2. Andrianarahinjaka, L. X. M., 1987, Le système littéraire betsileo, Fianarantsoa, Ambozontany.
  3. Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka, Terre promise, Revue de l'ocean Indien (Antananarivo), 1988, 107p. ISBN: 88980526.
  4. « Nouvelle Somme de poésie du monde noir » coordonné par Damas, et qui révéla Thomas Rahandra et Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka, pp 150-160
  5. Michel-Andrianarahinjaka, L.X., La littérature traditionelle Betsileo: Pt. 3, La légende de Ratsiafabahiny. Textes; T. 2,1974, vol. 2 à 3,