Ny kabary dia lahateny atao amin'ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin'ny hainteny sy ohabolana sady atrehin'olona maro. Samy nanana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra ka izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin'izao fotoana izao ny atao hoe kabary, fa saingy io no fototra ka miainga avy amin'io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny.

Ny karazana kabary hanova

Maro karazana ny kabary satria maro tokoa ny hafatra hampitaina. Anisan'ireny ny fampitana arahaba ambara amin'ny teny tsotra hoe kabary fiarahabana, ny firariantsoa isan-tsokajiny, ny kabary am-panambadiana izay ahafahana mahafehy ny kabary rehetra ny fahaizana azy, ny kabary an-karatsiana: famangiana, fisaorana am-pandevenana (am-bohitra, am-piangonana, ambony fasana), ny kabary am-pamadihana.

Ohabolana momba ny kabary hanova

  • «Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka»
  • «Teny zato, kabary arivo, fa ny marina tokana ihany»