Lakandranon' i Môzambika

(tonga teto avy amin'ny Lakandrano Mozambika)

Ny Lakandranon' i Môzambika dia sampan' ny Ranomasimbe Indiana mampisaraka an' i Madagasikara amin' i Afrika, tandrify indrindra an' i Môzambika.

Ny lakandranon' i Môzambika
Ny lakandranon' i Môzambika

Manodidina ny 1 600 km eo ho eo ny lavany, 419 km ny sakany amin' ny toerana tery indrindra ary mahatratra 3 292 m ny halaliny amin' ny toerana lalina indrindra, eo amin' ny 230 km miala ny morontsirak' i Môzambika. Mandalo ao ny korian-drano mafana mitodika mianatsimo izay mikambana amin' ny korian-dranon' i Agulhas any atsinanan' ny morontsirak' i Afrika Atsimo.

Ny nosy ao aminy

hanova

Any avaratra, eo anelanelan' i Madagasikara sy ny Kôntinenta Afrikana no misy ny Tamba-nosin' i Kômôro.

Ao ihany koa ireo nosy kely - ankoatra ny nosy Tromelin izay mitokana any amin' ny Ranomasimbe Indiana - izay eo ambany fiadidian' i Frantsa ka antsoina hoe "Nosy Miparitaka": ny nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India.

Ny tombon-tsoa azo avy aminy

hanova

Ahitana ny toerana fitiliana ny toetrandro sy ny fiavian' ny rivodoza ny nosy kely miparitaka ao amin' io lakandrano io. Maro ny sambo mpitatitra solitany no mandalo ao. Mahamora ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina sy ana habakabaka iraisam-pirenena ihany koa ao, indrindra ny fifamoivoizana Madagasikara-Jiboty-Madagasikara, na Maorisy-Kenia-Maorisy.

Fanatrehana Frantsay ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika

hanova

Manatrika an'i Mayotte sy ireo Nosy Scattered i Frantsa, ary mitazona ny fisian'ny miaramila manerana an'i La Réunion, miaraka amin'ny fananan'ny tafika an-dranomasina manao fisafoana tsy tapaka. Ireo nosy kely ireo dia manome faritra ara-toekarena manokana (ZEE), manankarena amin'ny loharanon-jonoana ary mety ho hydrocarbon. Ho an’i Frantsa, ny fitandroana ny fiandrianam-pireneny amin’i Mayotte, manoloana an’i Kaomoro, indrindra ireo Nosy miparitaka no tena fanamby, manoloana ny fandrahonana ataon’ny Malagasy. Manohitra ara-dalàna ny fisian’ny Frantsay ny Malagasy, amin’ny fiheverana fa iankinan’i Madagasikara ireo nosy ireo ka rehefa azo ny fahaleovantena dia tokony hiverina amin’i Madagasikara fa tsy any Frantsa.